Bney Menase: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Jiosy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Bandera dels Kukis de Zalengam.png|vignette|Sainan' ny Bney Menase]]
Ny '''Bney Menase''' dia vahoaka aziatika any amin' ireo fanjakana any amin' ny tapany avaratra atsinanan'i [[India]], any amin' ny sisin-tany birmana, dia i [[Manipur]] sy i [[Mizoram]], izay fantatra amin' izao fa manam-piaviana jiosy. Hatramin' ny taonjato faha-20 ka hatramin' izao dia ny vondrona atao hoe Chin sy Kuki ary Mizo ao amin' io faritra io no milaza ny tenany fa taranaky ny iray amin' ireo [[Foko folo very|foko folo verin'i Israely]] ka nadray ny [[jodaisma]] ho fivavahany<ref><small>Weil, Shalva. "Double Conversion among the 'Children of Menasseh'" in Georg Pfeffer and Deepak K. Behera (eds) ''Contemporary Society Tribal Studies'', New Delhi: Concept, pp. 84–102. 1996 Weil, Shalva. "Lost Israelites from North-East India: Re-Traditionalisation and Conversion among the Shinlung from the Indo-Burmese Borderlands", ''The Anthropologist,'' 2004''.'' 6(3): 219–233.</small></ref>. Tamin' ny faran' ny taonjato faha-20 ny raby Eliyahu Avichail, ao amin' ny vondrona Amishav, dia nanome anarana ireo olona ireo hoe ''Bnei Menashe'' ("zanak' i Manase"), araka ny fitantaran' izy ireo ny maha taranak' i Manase azy<ref><small>Fishbane, Matthew (19 Febroary 2015). [https://tabletmag.atavist.com/becoming-moses "Becoming Moses"]. Tablet Magazine. Notsidihia tamin'ny 2 May 2016.</small></ref>. Ny ankamaroan' ny mponina ao amin' ireo fanjakana roa resahina eo ambony ireo, izay miisa maherin' ny 3 700 000 sady manana ny fomba amam-panao azy ireo tsirairay, dia tsy manao ny tenan' izy ireo ho taranaka israelita.
 
Ny ankamaroan' ny Bney Menase dia nanaraka ny [[Fivavahana kristiana|fivavanana kristiana]]. Nefa tamin' ny taona 1951 dia nilaza ny iray amin' ny mpitarika azy fa nahita tamin' ny nofy ny maha tanindrazan' ny vahoananyvahoakany an' i Israely<ref><small>"[https://www.npr.org/templates/story/story.php?storyId=127241410 India's 'Lost' Jews Seek A Place In Israel"], National Public Radio. inc</small></ref>. Efa hatramin' ny taona 1950 izy ireo no nanambara fa taranaky ny [[fokon'i Manase|fokon' i Manase]] izay nitady fialofana tany amin' ny faritra faran' izay lavitra any [[Azia]]. Hatramin' ny faran' ny taonjato faha-20 no mankaty dia misy ny nandray ilay hevitra manao azy ireo ho Jiosy, nefa mitohy ny finoan' izy ireo ny maha [[Mesia]] an' i [[Jesosy|Jesoa]] ([[Jodaisma mesianika]]). Nanomboka tamin' ny taona 1970 ny Bney Menase dia nianatra sy niaina ny jodaisma noho izy ireo maniry ny hiverina amin' izay inoany fa fivavahan-drazany. Araka ny ''Shavei Israel'' (fikambanana israeliana mitady ireo foko folo very) dia miisa 10 000 eo ho eo ny Bney Israely.
 
Tamin' ny Marsa 2005, rehefa avy nanadihady ny raby lehibe sefarada ao Israely (Rabbi Shlomo Amar) dia resy lahatra ny amin' ny maha taranak' i Israely ny Bney Menase, ka nanaiky ny fitakian' izy ireo ny maha taranaka jiosy<ref name=":0"><small>"''An aliya voyage across the millennia from India"'', MICHAEL FREUND, Jerusalem Post, 22 Novambra 2006.</small></ref>.
 
Ny 1000 amin' izy ireo<ref name=":0" /> dia monina ao Israely amin' izao fotoana izao, sady efa niova finoana ho amin' ny jodaisma. Ny 7000 hafa<ref><small>"''A miracle of biblical proportions"'', MICHAEL FREUND, Jerusalem Post, 4 Oktobra 2006.</small></ref> dia mbola monina any Mizoram (fanjakana any India avaratra atsinanana) miandry ny fiovam-pinoany ho amin' ny jodaisma ofisialy.
 
== Jereo koa ==