Eskatôlôjia: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-8:
Ny teny hoe ''eskatôlôjia'' dia fanagasiana ny [[Fiteny frantsay|teny frantsay]] hoe ''eschatologie'' na ny [[Fiteny anglisy|teny anglisy]] hoe ''eschatology'' izay avy amin'ny [[Fiteny grika|teny grika]] hoe ἔσχατος / ''eskhatos'', "farany", sy hoe λόγος / ''lógos'', "teny", "resaka" na "fandalinana".
 
== Ny eskatolojianeskatôlôjian' ny jodaisma sy kristianisma ==
 
=== Ny eskatolojiaeskatôlôjia ao amin' ny Testamenta Taloha ===
Ahitana andalana momba ny eskatôlôjia ny ao amin'ny [[Testamenta Taloha]], indrindra ny ao amin'ny [[Bokin'i Isaia]] (Is. 24-27; 56-66), ao amin'ny [[Bokin'i Joela]] (na Jôely) ary ny [[Bokin'i Zakaria]] (Zak. 9-14), ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] (na Daniely) ary ao amin'ny [[Bokin'i Mika]] (na Mikea) sy ny [[Bokin'i Amosa]] sy ny [[Bokin'i Zefania]] (na Sôfônia) ary ny [[Bokin'ny Salamo]].
 
Ao amin'ny Testamenta Taloha, ny eskatolojia dia miompana amin'ny fiandrasana ny [[Mesia]]. Ny fiverenany ety an-tany dia hiaraka amin'ny [[fitsarana farany]] sy ny [[famonjena]] an'i [[Fanjakan'i Israely (Samaria)|Israely]] sy i [[Fanjakan'i Jodà|Jodà]]. Hisy famaizan'Andriamanitra hahazo ireo tsy nanaraka ny didiny. Hitsara ny vahoakany Andriamanitra (Salamo 96.13; Mika 6.1-3; Isaia 43.1-6) nefa izy ihany koa no mpanjakany (Isaia 51.11) sy mpiandry (Mika 4.6) ary mpanavotra azy (Isaia 51.11). Amin'ny [[Andron'i Iahveh]] (na Andron'i Jehovah) (Zefania 1.14-16) no hanovana izao rehetra izao sady hiavian'ny [[paradisa]]. Izany Andron'i Iahveh izany dia andro maizina (Amosa 5.18-49). Misy olo-marina vitsy ho vonjena amin'ny fahatezeran'Andriamanitra izay ho mponina ao amin'i Israely vaovao (Amosa 3.12; Isaia 28.5). Amin'ny lahatsoratra hafa dia amin'io Andron'i Iahveh io no hiverenan'i [[Mosesy]] (na [[Môizy]]) na i [[Davida (Baiboly)|Davida]] na i [[Elia]] indray.
 
=== Ny eskatolojiaeskatôlôjia ao amin'ny jodaisma ===
Ny faran'andro (na andro farany) dia voaresaka ao amin'ny [[Bokin'i Daniela]] sady atao amin'ny teny hebreo hoe אחרית הימים / ''A'harit HaYamim'' ("fiafaran'ny andro") ka ny dingana lehibe amin'izany dia ny atao hoe ימות המשיח / ''Yemot HaMashia'h'' ("ny Andron'ny [[Mesia]]"). Izany finoana izany dia hita ao amin'ny lohahevi-dehiben'i [[Maimonides|Maimonida]], izay lazainy ho ny fototry ny maha isan'ny vahoakan jiosy ny Jiosy tsirairay araka ny fivoasana nataony ao amin'ny ''Mishna Sinedriona'' izay nanehoana voalohany io petra-kevitra io.