Fariseo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
Ao amin' ny soratr' i Flavio Jôsefa no nahitana voalohany ny firesahana ny amin' ny Fariseo<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le Judaïsme ancien du'' vi''e siècle avant notre ère au'' iii''e siècle de notre ère : Des prêtres aux rabbins'', PUF, coll. « Nouvelle Clio », 2012 (<nowiki>ISBN 978-2130563969</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 235</small></ref> raha tantarainy ny nisarahan' i [[Joany Hirkano I|Joany Hirkana]] tamin' io antoko io ka nikambana tamin' ny [[Sadoseo]]<ref><small>Mireille-Hadas Lebel, ''Le contexte historique des débuts du Talmud : Le conflit entre pharisiens et saducéens'', conférence pour ''Akadem'', campus numérique juif, 28/05/2007, [http://www.akadem.org/sommaire/themes/histoire/ere-biblique/juifs-et-grecs/le-conflit-entre-pharisiens-et-saduceens-28-05-2007-6949_51.php conférence en ligne] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.akadem.org%2Fsommaire%2Fthemes%2Fhistoire%2Fere-biblique%2Fjuifs-et-grecs%2Fle-conflit-entre-pharisiens-et-saduceens-28-05-2007-6949_51.php tahiry]]</small></ref>. Tamin' io fotoana io ihany koa no nampalaza ny firesahana ny amin' ny Fariseo ao amin' ny [[Filazantsara]].
 
Ny teny hoe ''Fariseo'' dia avy amin' ny [[teny grika]] hoe ''Φαρισαῖος'' / ''Pharisaios'' izay avy amin' ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] hoe פְּרִישָׁא / ''P<sup>e</sup>rîshâ'' (פְּרִישַׁיָּא / ''P<sup>e</sup>rîshayyâ'' raha amin' ny endrika milaza maro) izay midika hoe "voasaraka". Io indray dia mifandray amin' ny [[Fiteny hebreo|teny hebreo]] hoe פָּרוּשׁ / ''pârûsh'' (פְּרוּשִׁים / ''p<sup>e</sup>rûshîm'' raha amin' ny endrika milaza maro). Avy amin' ny [[matoanteny]] hebreo hoe פָּרַשׁ / ''pârash'' izay midika hoe "manambara" na "manasaraka" na "manazava".
 
== Ny tantarany ==
 
=== Ny fiaviany ===
Araka ny lovantsofina rabinika dia taranak' ireo Olonkendry tao amin' ny [[Sinagoga Lehibe]] (כְּנֶסֶת הַגְּדוֹלָה / ''Knesset HaGedolah'') ny Fariseo. Efa hatramin' i Simôna ilay Marina (angamba ny mpisoronabe Simôna II izany) sy i Antigôna avy ao Sokho ny fireham-pisainan' ny Fariseo.
 
Tsy mazava anefa ny tena fiaviany, sahala amin' ny an' ny [[Sadoseo]] koa<ref name=":0"><small>Michael Wise, Martin Abegg et Edward Cook, ''Les Manuscrits de la mer Morte'', Paris, éd. Perrin, 2003, <abbr>p.</abbr> 29.</small></ref>. Nisandratra amin' ny maha antoko azy ny Fariseo taorian' ny fikomian' ny [[Makabeo]] sy ny fiakaran' ny taranaka [[Hasmoneana|hasmôneana]] teo amin' ny fitondrana tao [[Jodea]]. Ny petra-kevitra sasany dia milaza fa taranaky ny [[Hasidima]] ("Tia vavaka") izay nanda tsy nanaraka ny fomba amam-panao grika teo ambany fanapahan' i [[Antiokosy IV Epifanesy|Antiôkôsy IV Epifanes]]<nowiki/>y ny Fariseo<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le judaïsme ancien du <abbr>VIe</abbr> siècle avant notre ère au <abbr>IIIe</abbr> siècle de notre ère'', 2012, Paris, éd. PUF, <abbr>p. 234</abbr></small></ref>.
 
Niantehitra tamin' ny saranga anelanelany, izay nanana fari-piainana ampy noho ny fandrosoana ara-toekarena, ny Fariseo. Nanampy azy ireo tamin' ny fanaparitahana ny fandalinana ny lalàna tany ivelan' ny toerana mahazatra mifandray amin' ny [[Tempolin'i Jerosalema]] izany toe-javatra izany. Izany fandrosoan' ny toekarena izany dia niteraka ny filana ireo [[mpanoradalana]] manam-pahaizana momba ny lalàna, nefa tsy vaoteryvoatery ho mpanoradalàna miankina amin' ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] izany<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 405</small></ref>.
 
=== Tsy fifanarahany tamin' ireo antoko hafa ===
Araka an' i [[Flavio Josefa|Flavio Jôsefa]] dia tamin' ny foto-pinoana no tsy nifanarahan' ny Fariseo tamin' ny [[Sadoseo]] sy ny [[Eseniana]], ary koa tamin' ny lafiny fampiharana ny tokony ho fitondran-tena eo amin' ny fiainana andavanandro, izany hoe momba ny ''[[Halakà|halakha]]''<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 407</small></ref>. Nisafidy ny hampifanaraka ny fototry ny halakha amin' ny zava-misy ny Fariseo manoloana io fiovana ara-piarahamonina sy ara-toekarena io, mba hahatonga azy ireo tsy hilaozan' ny toetrandro<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 409</small></ref>. Nekeny ny fivoarana miandalan' ny fivoasana ny lalàna. Ny lalàna am-bava ([[Torah am-bava|Tôrah am-bava]] izay atao hoe koa "lovantsofin' ny razana") no iankinany amin' izany. Mampiavaka ny fisainan' ny Fariseo io atao hoe Tôrah am-bava io izay nivoatra hatramin' ny vanimpotoana [[Persia|persiana]].
 
Nifanohitra ny [[Eseniana]] (antoko tao amoron' ny [[Ranomasina Maty]]) sy ny Fariseo araka ny [[Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty|soratanam-piraketana]] iray tao amin' ny [[Ranomasina Maty]]<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 406</small></ref>, ka ireto ireo zavatra tsy nifanarahana ireo: ny fahadiovana takin' ny fombam-pivavahana, ny firavoravoana, ny fitantanana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ary ny mpisorona. Tsy mitovy ny fahazoan' izy ireo ny Lalàna. Eken' ny Fariseo ny fampifanarahana ny Lalàna amin' ny zava-misy iainana fa ny Eseniana kosa mandray amin' ny fomba hentitra ny Lalàna, ka aleony mifady ny fanao sarotra toy izay ho azon' ny fahalotoana ara-pivavahana.
 
=== Fiantraikan' ny fisainan' ny Fariseo ===
Ilay fampifanarahana amin' ny zava-misy nataon' ny Fariseo dia nahatonga azy ireo hanaiky ny fiakaran' ilay [[Hasmoneana|Hasmôneana]] atao hoe Simôna eo amin' ny asam-pisoronana, na dia tsy taranak' i Zadôka na Sadôka na Tsadôka (atao hoe Zadôkida na Sadôkida na Tsadôkida) aza izy. Tamin' ny fanapahan' ny Hasmôneana dia nifaninana tamin' ny [[Sadoseo]] sy ny antoko hafa ny Fariseo teo amin' ny fitarihana ara-panahy an' i [[Jodea]] sy ny vahoaka jiosy. Nankasitrahin' ny maro anisa<ref name=":0" /> izay nahitana tantsaha sy tandrenivohitra nafana fo amin' ny vavaka ny antokon' ny Fariseo. Ny Sadoseo kosa dia niaro ny tombontsoan' ny saranganan' ny mpisorona izay nifamatotra hatrizay tamin' ny fahefana ara-politikapôlitika. Tamin' ny andron'i [[Joany Hirkano I|Joany Hirkana]] dia nandaitra teo amin'ny vahoaka ny hevitry ny Fariseo sady nanakaiky kokoa ny mpitondra izy ireo. Tsy nankasitraka ny fitiavan' i HirkanaHirkano manita-panjakana sy ny faty olona ary ny harena lany naterak' izany anefa izy ireo. Tsy nankasitrahan' ny sasany tamin' izy ireo koa ny fivangongoan'ny fahefana ara-politikapôlitika sy ara-pivavahana amin' olon-tokana<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 412</small></ref>. Noho izany dia nihavery ny toeran' izy ireo tao amin' ny lapan' ny Hasmôneana. Neken' izy ireo ny niakaran' i [[Heroda Lehibe|Herôda I Lehibe]] teo amin' ny fitondrana na dia [[Idomea|Idomeana]] ([[Edoma|Edômita]]) aza izy, satria afaka niantoka ny fandriam-pahalemana sy ny fahaleovan-tenan' ny fivavahana i Herôda<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 417</small></ref>. Ho setrin' izany dia nankasitrahan' ny vahoaka i Herôda noho ny namelany malalaka ny Fariseo.
 
Lazain' i [[Flavio Josefa|Flavio Jôsefa]] ho mpikatsaka fahefana politikapôlitika ny Fariseo. Tamin' ny fanapahan' ny mpanjakavavy [[Salome Aleksandra|Salôme Aleksandra]] dia nanara-maso ny fahefana politikapôlitika izy ireo sady nifehy ny fanompoam-pivavahana tao amin' ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]]. Tsy misy anefa porofo ahafaha-milaza fa izy ireo no antoko natanjaka indrindra nandritra ny vanimpotoana hasmôneana sy rômana<ref><small>Lester L. Grabbe, ''Judaic Religion in the Second Temple Period : Belief and Practice from the Exile to Yavneh'', Routledge, 2000 (<nowiki>ISBN 0-415-21250-2</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 185-199, <abbr>p.</abbr> 199</small></ref>.
 
=== Toeran' ny Fariseo teo amin' ny jodaisma rabinika ===
Tamin' ny fandravan' ny Rômana an' i [[Jerosalema (Andro Taloha)|Jerosalema]] sy ny Tempoly (taona 70 taor. J.K.) dia nandamina ny sisa tamin' ny [[jodaisma]] ny Tanaim sady nampisandratra ny [[jodaisma rabinika]]. Nanjary nanjaka tao ny fomba fijerin' ny Fariseo, na dia hita tao koa ny hevitr' ireo antoko hafa<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 427</small></ref>. Ny fisainan' ny Fariseo no hany afaka nifanaraka amin' ny tsy fisian' ny Tempoly sady nanana rafitra afaka mifanaraka amin' ny toe-javatra vaovao. Ny fitenenana hoe "farisaisma" dia tsy ampiasaina intsony satria nifangaro tamin' ny [[jodaisma tanaitika]] izany.
 
Tsy atao hoe Fariseo anefa ireo Olonkendrin' ny lahatsoratra talmodika. Misy loharanon-tsoratra roa anefa manao ny Tanaima ao amin' ny fianakavian' i Gamliel<ref><small>Lester L. Grabbe, ''Judaic Religion in the Second Temple Period : Belief and Practice from the Exile to Yavneh'', Routledge, 2000 (<nowiki>ISBN 0-415-21250-2</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 185-199, <abbr>p.</abbr> 194</small></ref> ho Fariseo, dia ny rabban Gamliela Zokiny, izay resahina ao amin' ny [[Asan'ny ApostolyApôstôly]] (Asa 5.34) sy i Shimon ben Gamliel I, izay resahina ao amin' ny ''Autobiographie'' nataon' i Flavio Jôsefa (toko faha-38).
 
== Ny fariseo sy ny fivavahana kristiana ==
Maro ireo mpanoratra mihevitra fa maneho ny zava-nisy marina tamin' ny vanimpotoan' i [[Jesosy|Jesoa]] ny lahatsoratra ao amin' ny [[Filazantsara]] ka milaza fa tandindon' ny fihatsaram-belatsihy sy ny fanarahana fombafomba tafahoatra eo amin' ny sehatry ny fivavahana ny Fariseo sy ny fampianarany (farisaisma). Tandindon' ny fanaovana tsinontsinona ny hafa izay heverina ho ambany toetra ny Fariseo.
 
=== Fitsikerana ny Fariseo ===
Nitsikera matetika ny Fariseo i JesosyJesoa, idrindra ny amin' ny fanizingizinan' izy ireo ny lalàn' ny fombam-pivavahana sy ny fanao momba ny fahadiovana. Nanozona ny Fariseo i [[Jesosy]]Jesoa araka ireo Filazantsara ireo, ohatra ao amin' ny [[Evanjelin'i Matio|Evanjelin' i Matio]] (Mat. 23.13; 23.16).
 
Ao amin' ny [[Filazantsara araka an'i Lioka|Evanjelin' i Lioka]] ilay fanoharana ny amin' ny Fariseo sy ny mpamory hetra (mpiasan' ny fanjakana rômana izay tena tsy tian' ny vahoaka jiosy) dia maneho ny fahambonian' ny mpamory hetra, izay niaiky ny maha mpanota azy ka nangataka ny famindram-pon' Andriamanitra, raha miohatra amin' ilay Fariseo izay manandra-tena amin' ny fitandremany ny fitsipika ka mihevi-tena ho ambony noho ny hafa<ref><small>Roger Martin du Gard, ''Les Thibault'', 1922, p. 732</small></ref>.
 
Raha ny tena marina dia ny Fariseo mpihatsara velatsihy no tsikerain' i JesosyJesoa (Mat. 6), izany hoe ireo tsy mampisy dikany ny tsy manam-pahaizana sy ny mpanota araka ny fitsarany azy ireo amin' ny lalàny (Lio. 18.9-14), izay manome lanja tafahoatra ny fisehoana ivelany amin' ny fivavahana ka miavonavona eo anatrehan' Andriamanitra, sady mihevitra fa manam-pahefana amin' Andriamanitra amin' ny fanatanterahan' izy ireo ny fanaony (Mat. 20.1-16; Lio. 15).
 
Tsy mety mihaino ny fampianaran' i JesosyJesoa ny Fariseo (Joa. 8.13; 9.13-40). Voatsikera ny fandraisany ara-bakiteny ny Lalàna sy ny fametrahany fahamarinana aorina amin' ny asan' ny olona ka te hanery an' Andriamanitra hanome valisoa azy ireo.
 
=== Fariseo nifandray tamin'i Jesosy ===
Na dia nandà ny fampianaran' i JesosyJesoa aza ny ankamaroan' ny Fariseo dia nisy ihany ireo izay nankasitraka ny hafany ka nandray azy hiara-misakafo aminy (Lio. 7.36; 11.37; 15.1), dia ireo izay niaro azy (Lio. 13.31; Joa. 7.50), ireo izay niaro ny Kristiana (Asa 5.34-42), ary ireo izay nino fa tanteraka ao amin' i JesosyJesoa ny finoana jiosy (Asa. 15.5).
 
=== Fariseo tonga Kristiana ===
Andalana faha-59:
==== Antoko sy firehana hafa tao amin'ny jodaisma ====
 
* [[NazoreanaNazôreana]] na Nazareana
*Zelôta
*[[Zelota]]
* [[Mpanoradalàna]]
* [[EbionitaEbiônita]]
* [[Elkasaita]]
* [[Hasideana]]
* [[Boetosiana]]
* [[Jiosin'i Elefantina|Jiosin' i Elefantina]]
 
== Loharano ==