Fariseo: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''Fariseo''' na '''Farizianina''' dia ireo [[Jiosy]] amin' ny antoko iray tao [[Jodea]] nandritra ny vanimpotoan' ny [[Tempoly Faharoa]], izany hoe tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy ny taonjato voalohany taor. J.K. Atao hoe ''farisaisma'' na ''farizianisma'' ny firehan-kevitra ara-pivavahan' izy ireo. Maro ny fampianaran' ny Fariseo izay tafakambana ao amin' ny lovatsofin' ny [[Raby]]. Miavaka ny fampianaran' ny Fariseo noho izy mifototra amin' ny [[Torah am-bava|Tôrah am-bava]] mba handraiketana ny lalàna jiosy. Ny tena loharano manoritsoritra ny amin' ny Fariseo dia ny boky nosoratan' i [[Flavio Josefa|Flavio Jôsefa]] sy ny [[Testamenta Vaovao]] ary ny soratr' ireo Raby. Ny antoko telo lehibe hafa dia ny [[Sadoseo]] (na Sadoseana)<ref><small>Ny Sadoseo na Sadoseanina dia antoko jiosy tao [[Jodea]] tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. sy taonjato voalohany taor. J.K., avy amin' ny saranga ambonin' ny mpisorona, izay tsy mino ny fisian' ny anjely sy ny fitsanganan-ko velona.</small></ref> sy ny [[Eseniana]]<ref><small>Ny Eseniana dia ireo olona tao amin' ny antoko mpanaraka ny jodaisma tamin' ny vanimpotoan' ny Tempoly Faharoa izay niroborobo nanomboka tamin' ny taonjato faha-2 tal. J.K. Fikambanan' olona miaina anaty fahantrana an-tsitrapo ny Eseniana sady mifady ny fahafinaretana eto amin' izao tontolo izao. Nalaza ny Eseniana tamin'izao vaninandro vaovao izao noho ny fahitana tamin' ny taona 1947 ny "[[Soratanam-piraketan'ny Ranomasina Maty]]". Ireo fikambanana lehibe indrindra, izay nisy maromaro, dia nonina teny amoron' ny Ranomasina Maty, nivelona amin'ny fambolena sy ny asan-tanana, miombom-pananana izy ireo.</small></ref> ary ny [[Zelôta]]<ref><small>Ny Zelôta dia firehana na antoko ara-politika sy ara-pivavahana jiosy nalaza tamin' ny fanoherana ny Rômana tao Jodea tamin' ny taonjato voalohany taor. J.K., izay namporisika ny vahoaka jiosy tao amin' ny faritanin' i Jodea hikomy amin' ny Fanjakana rômana sady handroaka azy amin' ny alalan' ny fitaovam-piadiana. Ny Zelôta ireo mpitarika ny [[Fikomiana lehibe nataon'ny Jiosy|Fikomiana lehibe]] nataon' ny Jiosy tamin' ny taona 66 hatramin' ny taona 70 taor. J.K.</small></ref>.
 
== Ny anarany ==
Ao amin' ny soratr' i Flavio Jôsefa no nahitana voalohany ny firesahana ny amin' ny Fariseo<ref><small>Simon Claude Mimouni, ''Le Judaïsme ancien du'' vi''e siècle avant notre ère au'' iii''e siècle de notre ère : Des prêtres aux rabbins'', PUF, coll. « Nouvelle Clio », 2012 (<nowiki>ISBN 978-2130563969</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 235</small></ref> raha tantarainy ny nisarahan' i [[Joany Hirkano I|Joany Hirkana]] tamin' io antoko io ka nikambana tamin' ny [[Sadoseo]]<ref><small>Mireille-Hadas Lebel, ''Le contexte historique des débuts du Talmud : Le conflit entre pharisiens et saducéens'', conférence pour ''Akadem'', campus numérique juif, 28/05/2007, [http://www.akadem.org/sommaire/themes/histoire/ere-biblique/juifs-et-grecs/le-conflit-entre-pharisiens-et-saduceens-28-05-2007-6949_51.php conférence en ligne] [[http://archive.wikiwix.com/cache/?url=http%3A%2F%2Fwww.akadem.org%2Fsommaire%2Fthemes%2Fhistoire%2Fere-biblique%2Fjuifs-et-grecs%2Fle-conflit-entre-pharisiens-et-saduceens-28-05-2007-6949_51.php tahiry]]</small></ref>. Tamin' io fotoana io ihany koa no nampalaza ny firesahana ny amin' ny Fariseo ao amin' ny [[Filazantsara]].
 
Ny teny hoe ''Fariseo'' dia avy amin' ny [[teny grika]] hoe ''Φαρισαῖος'' / ''Pharisaios'' izay avy amin' ny [[Fiteny arameana|teny arameana]] hoe פְּרִישָׁא / ''P<sup>e</sup>rîshâ'' (פְּרִישַׁיָּא / ''P<sup>e</sup>rîshayyâ'' raha amin' ny endrika milaza maro) izay midika hoe "voasaraka". Io indray dia mifandray amin' ny teny hebreo hoe פָּרוּשׁ / ''pârûsh'' (פְּרוּשִׁים / ''p<sup>e</sup>rûshîm'' raha amin' ny endrika milaza maro). Avy amin' ny matoanteny hebreo hoe פָּרַשׁ / ''pârash'' izay midika hoe "manambara" na "manasaraka" na "manazava".
 
== Ny tantarany ==
Andalana faha-15:
Niantehitra tamin'ny saranga anelanelany, izay nanana fari-piainana ampy noho ny fandrosoana ara-toekarena, ny Fariseo. Nanampy azy ireo tamin'ny fanaparitahana ny fandalinana ny lalàna tany ivelan'ny toerana mahazatra mifandray amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema]] izany toe-javatra izany. Izany fandrosoan'ny toekarena izany dia niteraka ny filana ireo [[mpanoradalana]] manam-pahaizana momba ny lalàna, nefa tsy vaotery ho mpanoradalàna miankina amin'ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] izany<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 405</small></ref>.
 
=== Tsy fifanarahany tamin' ireo antoko hafa ===
Araka an'i Flavio Jôsefa dia tamin' ny foto-pinoana no tsy nifanarahan' ny Fariseo tamin' ny [[Sadoseo]] sy ny [[Eseniana]], ary koa tamin' ny lafiny fampiharana ny tokony ho fitondran-tena eo amin' ny fiainana andavanandro, izany hoe momba ny ''[[Halakà|halakha]]''<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 407</small></ref>. Nisafidy ny hampifanaraka ny fototry ny halakha amin' ny zava-misy ny Fariseo manoloana io fiovana ara-piarahamonina sy ara-toekarena io, mba hahatonga azy ireo tsy hilaozan' ny toetrandro<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 409</small></ref>. Nekeny ny fivoarana miandalan' ny fivoasana ny lalàna. Ny lalàna am-bava ([[Torah am-bava|Tôrah am-bava]] izay atao hoe koa "lovantsofin' ny razana") no iankinany amin' izany. Mampiavaka ny fisainan' ny Fariseo io atao hoe Tôrah am-bava io izay nivoatra hatramin' ny vanimpotoana [[Persia|persiana]].
 
Nifanohitra ny [[Eseniana]] (antoko tao amoron' ny [[Ranomasina Maty]]) sy ny Fariseo araka ny soratanam-piraketana iray tao amin'ny Ranomasina Maty<ref><small>Joachim Schaper, "The Pharisees", dans ''The Cambridge History of Judaism : The Early Roman Period'', <abbr>vol.</abbr> 3, Cambridge University Press, 1999 (<nowiki>ISBN 978-0521243773</nowiki>), <abbr>p.</abbr> 402-427, <abbr>p.</abbr> 406</small></ref>, ka ireto ireo zavatra tsy nifanarahana ireo: ny fahadiovana takin'ny fombam-pivavahana, ny firavoravoana, ny fitantanana ny [[Tempolin'i Jerosalema|Tempoly]] ary ny mpisorona. Tsy mitovy ny fahazoan'izy ireo ny Lalàna. Eken'ny Fariseo ny fampifanarahana ny Lalàna amin'ny zava-misy iainana fa ny Eseniana kosa mandray amin'ny fomba hentitra ny Lalàna, ka aleony mifady ny fanao sarotra toy izay ho azon'ny fahalotoana ara-pivavahana.
 
=== Fiantraikan'ny fisainan'ny Fariseo ===