Fivahiniana masina (silamo): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-4:
Ny lehilahy sy ny vehivavy miozolmana salama tsara rehetra dia tokony hanao fivahiniana masina indray mandeha amin’ ny fotoana ahavelomany, raha tahiny ka ampy ny hoenti-manana ara-bola hiatrehana izany.
 
Tsy mitovy amin’ ny “fivahiniana masina kely” izay atao any Maka ihany koa, izay atao hoe ''Umra'', ny ''Hadj'' izay azo atao amin’ ny fotona sasany voafatritra mazava: amin’ ny volana fahafolo no manomboka ireo lanonana isam-batanolona voalohany, izay andehanana impito manodidina ny [[Kaaba]] sy impito eo anelanelan’ ny tendrombohitra Safa sy ny tendrombohitra Marwa. Eo anelanelan’ ny andro faha-9 sy faha-12 amin’ ny volana faha-12 (volana ''[[Doalhija|dhul al-Hijja]]''), ny lanonana iarahan’ ny besinimaro izay ivorian’ ny mpanao fivahinina masina rehetra, ao amin’ ny lohasaha manatrika ny tendrombohitra Mina tsy lavitra an’ i Maka, izay naovana [[sorona]] biby fiompy. Ireo izay manatanteraka ny ''Hadj'' dia afaka mametraka ny anaram-boninahitra hoe “''Hadj''” eo alohan’ ny anarany.
 
== Jereo koa ==