Fiteny aostrôneziana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Zithal (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanatsara fehezanteny
Marika: Hanova araka ny hitan'ny maso Fanovana avy amin'ny finday Fiovana tamin'ny alalan'ny tranonkala finday Modification sur mobile avancée
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Nanitatra
Andalana faha-1:
[[Sary:Migraciones austronesias.png|400px|right|thumb]]
 
Ny '''fiteny aostrôneziana''' dia ireony fiteny tenenina eto [[Madagasikara]], any [[Azia Atsimo Andrefana]], ao amin' ny [[ranomasimbe Pasifika]] ary any [[Taioàna]]. Ny isan' ireo fiteny aostrôneziana manerana izao tontolo izao dia eo amin' ny 1 268, izany hoe vondrom-piteny faharoa raha ny isan' ny fiteny no heverina, aorian' ireo [[Fiteny nizero-kongoley|fiteny nizerôkôngôley]].
 
Ny anarana hoe ''aostrônezia,'' izay avy amin' ny [[teny latina]] hoe ''auster'' (midika hoe "rivotra atsimo") sy ny [[teny grika]] hoe ''νῆσος / nêsos'' (izay midika hoe "nosy") dia midika ara-bakiteny hoe "nosin' ny rivotra atsimo".
 
Miisa roa ny zana-tsokajin' ny fiteny asotrôneziana: ny [[fiteny formôzana|fiteny fôrmôzana]], izay tenenina ao [[Taioàna]],sady misampana efatra, sy ny [[fiteny malaiô-pôlineziana]] any amin' ny toerana hafa ankoatr' i Taioàna. Ny nipoiran' ireo fiteny ireo dia tokony ho tao amin' ny tendrony atsimo atsinanan' i [[Sina]] na Fôrmôzy (Taioàna) izay mbola ahitana mponina miteny aostrôneziana. Ireo [[fiteny melaneziana]], izay tokony ho isan' ny fiteny aostrôneziana, dia tsy nafangaron' ny mpahay fiteny noho ny antony ara-bolonkoditra.
 
Raha jerena ny toetr' ireo fiteny ireo dia hita fa azo sokajinatoetra roa arakano iavahany amin' ny fianakaviam-piteny hafa, dia ny fampisampanan-teny sy fanakambanan-teny ao aminy:
 
* ny fampisampanan-teny amin' ny alalan' ny fanampiana [[Tovona (fitsipiteny)|tovona]] sy [[Tovana (fitsipiteny)|tovana]] sy [[tsofoka]] ary [[tsirinteny sara-droa]] (tovona sy tovana miaraka) amin' ny [[fototeny]],
* ny fisian' ny [[teny verindroa]],
 
ary ny rafi-peo izay tsotsotra (vitsy ny [[renifeo]] sy ny [[zanapeo]], vitsy na tsy misy ny tamba-drenifeo sarotra tononina, fehezanteny ahitana rindram-peo, sns).
 
== Ny fiteny fôrmôzana ==
Ny [[fiteny fôrmôzana]] dia tenenin' ny mponina tranainy ao Taioàna, izay 2%n' ny mponina ao amin' io nosy io. Ntaolo kokoa ireo fiteny aostrôneziana tenenina ao Taioàna. Ny mponina hafa (ny Hàna) dia miteny [[fiteny sinoa]] ([[fiteny sinô-tibetàna]], ka ny ankabetsahany dia amin'ny [[fiteny mandarina]]) sy ny [[fiteny taioaney]] (tenim-paritry ny fiteny min-nana, fiteny sinoa tamin' ny [[Andro Antenantenany]]).
 
== Jereo koa ==