Bokin' i Jodita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
[[Sary:Trophime Bigot - Judith Cutting Off the Head of Holofernes - Walters 37653.jpg|vignette|358x358px333x333px|''Manapaka ny lohan' i Hôlôferna i Jodita'', nataon' i Trophime Bigot, taona 1579-1650]]
Ny '''Bokin' i''' '''Jodita''' dia boky ao amin' ny [[Baiboly]] jody amin' ny [[teny grika]] atao hoe [[Septanta]] na [[Septoaginta]] izay mitantara ny nampitsaharan' i [[Jodita]], vehivavy mpitondratena jody (na jiosy), ny horohoro nahazo ny [[Jiosy|Jody]] (Jiosy) noho ny hanafihan' ny [[Asiria|Asiriana]] azy ireo, tamin' ny nanapahany ny lohan' ilay jeneraly asiriana atao hoe Hôlôferna. Izany fanapahan-doha izany no nampitsahatra ny tahotra sady namelona indray ny finoan' ny Jody ny hery mpanafaka ao amin' Andriamanitra.
 
Andalana faha-5:
 
== Famintinana ==
[[Sary:Judit con la cabeza de Holofernes, por Cristofano Allori.jpg|vignette|''I Jodita sy ny lohan' i Hôlôferna'', nataon' i Cristofano Allori, 1613 (Royal Collection, London).]]
Nandresy ny [[Mediana]] i [[Nabokôdônôzôra II|Nabokôdônôzôra]] (na [[Nebokadnetsara II|Nebokadnetsara]]) mpanjakan' i [[Asiria]] ka nandefa ny jeneraly Hôlôferna tamin'ny faha-12 taonan' ny nanjakany mba hanafika haka ireo tany any andrefana. Nampitondrain' i Nabokôdônôzôra tafika lehibe i Hôlôferna ka nandresy hatranihatrany sady nandrava ireo toera-masina isan-tanàna no nanao izay tsy maintsy hanomezam-boninahitra an' i Nabokôdônôzôra sahala amin' ny andriamanitra. Tamin' ny farany dia tonga teo akaikin' ny vavahadin' i Israely ny tafika asiriana ka nanao fahirano ny tanàna atao hoe Betolia eo ampita, na dia efa nampitandrina azy ireo aza ny lehiben' ny [[Amona (fanjakana)|Amônita]] atao hoe Akiora ny amin' ny hampandresen' Andriamanitra ny Israely raha tsy manota. Nefa rehefa lany vatsy ireo Betoliana dia kivy ka notenentenenin' i Jodita, taranak'i [[Simeona (zanak'i Jakoba)|Simeôna]], izay nanome tsiny azy amin' ny hakelin' ny finoan' izy ireo. Tapa-kevitra ny ho any amin' ny tobin' i Hôlôferna miaraka amin' ny mpanompo vavy iray i Jodita mba hamitaka azy amin' ny fanomezany azy vaovao tsy marina momba ny Jody. Rehefa nahita ny hatsaran-tarehin' i Jodita i Hôlôferna dia nanaiky hihaino azy sady nanasa azy amin' ny lanonam-pisakafoanana sy nitondra azy tany amin' ny trano lainy ka tao i Jodita no nanapaka ny lohany. Niverina tany Betolia izy nitondra ny lohan' i Hôlôferna ka gaga ny vahoaka ary tapa-kevitra ny hanafika sady nampadositra ny Asiriana izay tonga nalemy noho ny fahafatesan' ny mpitarika azy.
 
== Fizaràn' ny boky ==
Azo zaraina roa ny Bokin' i Jodita ka ny fizaràna voalohany (Jod. 1 – 7) dia mitantara ny fanafihan' i Hôlôferna sy ny tsy fetezan' ny [[Israelita]] hilavo lefona; ary ny fizaràna faharoa (Jod. 8 – 16) dia mitatitra ny fanavotan' i Jodita ny fireneny.
 
=== Ny fanafihan' ny Asiriana sy ny nanaovana fahirano an' i Betolia ===
 
==== Ny fanafihan' ny Asiriana ireo firenena any andrefana (1.1–3.9) ====
I [[Nabokôdônôzôra]] sy i Arpaksada (1.1–1.12)
 
Ny fanafihan' ny Asiriana an' i Arpaksada (1.13–1.16)
 
Ny fanafihana ireo firenena any andrefana (2.1–3.9)
 
==== Ny horohoro nahazo an' i Israely (4.1- 7.32) ====
Ny nandrenesan' ny Israelita ny zava-mitranga (4.1–4.8)
 
Ny nifonan' ny Israelita amin' Andriamanitra (4.9–4.15)
 
Ny dinika tao amin' ny tobin' i Hôlôferna (5.1–5.24)
 
Ny fahatezeran' i Hôlôferna tamin' i Akiora (6.1–6.21)
 
Ny nanaovan' i [[Asiria]] fahirano an' i Betolia (7.1–7.32)
 
=== Ny nanavotan' i Jodita ny fireneny ===
 
==== I Jodita (8.1 - 9.14) ====
Ny mombamomba an' i Jodita (8.1–8.9)
 
I Jodita sy ireo zokiolona (8.9–8.35)
 
Ny vavaka nataon' i Jodita (9.1–9.14)
 
==== I Jodita sy i Hôlôferna (10.1–13.20) ====
Nankany amin' i Hôlôferna i Jodita (10.1–10.23)
 
Ny resaka voalohany nifanaovan' i Jodita sy i Hôlôferna (11.1–12.9)
 
Nanatrika ny fanasana nataon' i Hôlôferna i Jodita (12.10–12.20)
 
Ny nanapahan' i Jodita ny lohan' i Hôlôferna (13.1–13.10)
 
Nentin' i Jodita tany Betolia ny lohan' i Hôlôferna (13.11–13.20)
 
==== Ny fandresen' ny Israelita ny Asiriana (14.1–16.25) ====
Nanafika ny tobin' ny Asiriana ny Jody (14.1–15.7)
 
Fiderana an' Andriamanitra (15.8–16.20)
 
Ny fahanteran' i Jodita sy ny nahafatesany (16.21–16.25)
 
== Jereo koa: ==