Bokin' i Jodita: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-2:
Ny '''Bokin' i''' '''Jodita''' dia boky ao amin' ny [[Baiboly]] jody amin' ny [[teny grika]] atao hoe [[Septanta]] na [[Septoaginta]] izay mitantara ny nampitsaharan' i [[Jodita]], vehivavy mpitondratena jody (na jiosy), ny horohoro nahazo ny [[Jiosy|Jody]] (Jiosy) noho ny hanafihan' ny [[Asiria|Asiriana]] azy ireo, tamin' ny nanapahany ny lohan' ilay jeneraly asiriana atao hoe Hôlôferna. Izany fanapahan-doha izany no nampitsahatra ny tahotra sady namelona indray ny finoan' ny Jody ny hery mpanafaka ao amin' Andriamanitra.
 
Ny Bokin' i Jodita dia tsy hita ao amin' ny [[Tanakh]] (Baibolin' ny jiosy amin' ny teny hebreo). Ataon' ny Katôlika sy ny Ôrtôdôksa ho [[boky deoterôkanônika]] izy nefa ny Prôtestanta dia manao azy ho [[Apokrifan'ny Baiboly|boky apôkrifa]].
 
== Famintinana ==
Nandresy ny [[Mediana]] i [[Nabokôdônôzôra II|Nabokôdônôzôra]] (na [[Nebokadnetsara II|Nebokadnetsara]]) mpanjakan' i [[Asiria]] ka nandefa ny jeneraly Hôlôferna tamin'ny faha-12 taonan'ny nanjakany mba hanafika haka ireo tany any andrefana. Nampitondrain'i Nabokôdônôzôra tafika lehibe i Hôlôferna ka nandresy hatranihatrany sady nandrava ireo toera-masina isan-tanàna no nanao izay tsy maintsy hanomezam-boninahitra an' i Nabokôdônôzôra sahala amin' ny andriamanitra. Tamin' ny farany dia tonga teo akaikin' ny vavahadin' i Israely ny tafika asiriana ka nanao fahirano ny tanàna atao hoe Betolia eo ampita, na dia efa nampitandrina azy ireo aza ny lehiben' ny [[Amona (fanjakana)|Amônita]] atao hoe Akiora ny amin' ny hampandresen' Andriamanitra ny Israely raha tsy manota. Nefa rehefa lany vatsy ireo Betoliana dia kivy ka notenentenenin' i Jodita, taranak'i [[Simeona (zanak'i Jakoba)|Simeôna]], izay nanome tsiny azy amin' ny hakelin' ny finoan' izy ireo. Tapa-kevitra ny ho any amin' ny tobin' i Hôlôferna miaraka amin' ny mpanompo vavy iray i Jodita mba hamitaka azy amin' ny fanomezany azy vaovao tsy marina momba ny Jody. Rehefa nahita ny hatsaran-tarehin' i Jodita i Hôlôferna dia nanaiky hihaino azy sady nanasa azy amin'ny lanonam-pisakafoanana sy nitondra azy tany amin'ny trano lainy ka tao i Jodita no nanapaka ny lohany. Niverina tany Betolia izy nitondra ny lohan'i Hôlôferna ka gaga ny vahoaka ary tapa-kevitra ny hanafika sady nampadositra ny Asiriana izay tonga nalemy noho ny fahafatesan'ny mpitarika azy.
 
== Fizaràn'ny boky ==
Andalana faha-58:
 
== Jereo koa: ==
'''Boky ara-tantara protokanonikaprôtôkanônika:'''
 
* [[Bokin'i Josoa]] (na Jôsoe)
Andalana faha-72:
* [[Bokin'i Nehemia]]
 
'''Boky ara-tantara deoterokanonikadeoterôkanônika:'''
 
* [[Bokin'i Tobia]]