Goavy: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Sary
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
 
Andalana faha-2:
Ny '''goavy''' dia voankazo avy amin' ny zavamaniry [[Goavy (zavamaniry)|mitovy anarana]] aminy izay velona amin' ny faritra manana [[Toetanin-jana-pehin-tany|toetanin-janapehintany]], fihinana, boribory na miendrika atody na poara, mirefy 3 hatramin' ny 10 sm ny savaivony.
 
Manify sady mora rovitra ny hoditry ny goavy, izay miloko maitso (raha mbolaa manta) na maitsimaitso tanora na mavo (rehefa masaka). Miloko fotsy na mavo na mavokely na mena ny nofony rehefa masaka. Mizara roa ny ao anaty voan-goavy, dia ny sosona ivelany izay somary mafimafy sy tsy misy vihy, ary ny farirta anatiny kokoa izay malemilemy mifono vihy maro mafy tou ny vato mirefy 3 hatramin' ny 5 mm.
[[Sary:Guava oil.JPG|vignette|Menaka goavy]]
Azo hanina ny goavy masaka. Ny fihinanana goavy misy vihy maro sy mafy dia mety hiteraka [[fitohanana]] ao anaty tsinaibe. Azo atao koa ny mahandro azy miaraka amin' ny [[siramamy]] mba ho azo tehirizina mandritra ny andro maromaro. Azo anamboarana ranom-boankazo ihany koa ny goavy.y