Fizahàn-tany: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Fitsipi-panoratana sy fitsipi-pitenenana
Andalana faha-1:
[[Sary:Urban backpacking.jpg|vignette|Mpizaha tany]]
Ny '''fizahàn-tany''' na '''fizahan-tany''' dia sady fandehanana sy fitoerana mandritra ny fotoana voafetra any amin' ny toerana iray ivelan' ny toeram-ponenana mahazatra mba hahazoana fahafinaretana, no sehatr' asa ara-toekarena ikendrena ny hahazoan' ny olona manatanteraka izany fivahiniana izany, ka voafaoka ao amin' izany ny fikarakarana ao amin' ny trano fandraisam-bahiny sy fikarakarana ny fandehanana sy ny [[fitaterana]] azy ireo. Ny olonana manatanteraka ny fizahan-tany ho an' ny fahafinaretany no atao hoe '''mpizaha tany'''.
 
Tamin' ny taonjato faha-18 tany [[Angletera]] vao nisy ny fizahan-tany na dia efa nisy ny fandehanan-davitra hahazoana fahafinaretana. Maro isan-karazany ny endrika isehoan' ny fizahan-tany arakaraka ny tanjona kendren' ny mpizaha tany, ka isan' izany ny fizahan-tany momba ny fahasalamana, ny fankanesana eny amoron-dranomasina, ny fakanesana eny an-tendrombohitra, ny fanatanjahan-tena, ny fialam-boly, ny kolontsaina, ny tontolo iainana, sns. Misy koa ny fizahan-tany mamoafady, izay raràn' ny lalàna any amin' ny firenena maro.
Andalana faha-8:
'''Teny malagasy'''
 
Betsaka ny mpiasa amin' ny haino aman-jery mandiso fanoratra sy fanonona ny hoe ''mpizaha tany'' ary ''mizaha tany''. Tsy misy ''n'' ny aorian' ny ''mpizaha'' sy mozaha''mizaha'', toy ny tsy anisiana ''n'' ny hoe ''mpijery'' sy ''mijery'' ao amin' ny hoe ''mpijery lanonana'' sy ''mijery lanonana.'' Diso ny hoe *''mpizahan-tany'' sy ny hoe -''mizahan-tany'', toy ny maha diso ny hoe *''mpijerin-danonana'' sy ny hoe *''mijerin-danonana''. Tsy mahazatra ny maro ny mametraka ny [[Tendro (soratra)|tendro]] eo amin' ny vanin-teny -''ha''- ao amin' ny hoe ''fizaha''- noho ny fitsipi-panoratana mahazatra tsy mamporisika ny fampiasana tendro.