Wikipedia:Takelaka/*/tsara vakiana: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Aucun résumé des modifications
Aucun résumé des modifications
Andalana faha-51:
{{tohiny|Tetiandro malagasy}}
-----
</noinclude>
[[Sary:New Moon at sunset.jpg|vignette|152x152px]]
Ny '''[[fanandroana malagasy]]''' dia endriky ny [[fanandroana]] ataon'ny mpanandro malagasy izay andinihany sy ampiharany ny fifandraisan'ny fotoana ahaterahan'ny olona iray na ny fotoana ahatanterahan'ny zavatra iray andaniny, amin'ny toerana sy ny toetran'ireo zavatra eny amin'ny lanitra, indrindra ny [[Volana]], ankilany, araka ny [[Tetiandro malagasy|tetiandro nentin-drazana malagasy]] sy ny fifandraisan'izany amin'ny ho toetr'ilay olona teraka na ilay zavatra miseho na tiana hotanteraka. Izany fifandraisana izany no atao hoe vintana. Ambaran'ny mpanandro malagasy fa mamaritra ny toetra sy ny hoavin'ny olona ateraka na ny zavatra tanterahina tandrify azy ny vintana nefa azo ovana izany amin'ny alalan'ny [[fanalana vintana]] na fanalana faditra raha ratsy ka atahorana hitera-doza io vintan-dratsy io. Tsy ny vintana mifandray amin'ny [[Volana]] sy ny kintana ihany anefa no voakasiky ny fanandroana malagasy fa ny vanim-potoana rehetra hatramin'ny [[andro]] ao amin'ny [[herinandro]] sy ny fizaràn'ny andro, ka hatramin'ny [[fizaran-taona]] sy ny [[taona]] koa. Manampy izany ny [[Lafin-tany|lafintany]] (atsimo, avaratra, atsinanana sns) sy ny zavatra hafa toy ny tany, ny [[rivotra]], ny [[afo]] ary ny [[rano]] sns. Tsy ny volana sy ny andro ihany no manan-danja eo amin'ny fanandroana malagasy fa ny fizarazaran'ny andro koa, toy ny maraina sy ny tolakandro, ny andro sy ny alina, ny miposaka masoandro sy ny mitatao vovonana sy ny milentika masoandro sns. Noho izany dia tsy ny fotoana ihany no sahanin'ny fanandroana malagasy fa ny [[erana]] na ny habaka koa.
Ligne 58 ⟶ 57 :
 
Araka ny finoan-drazana malagasy dia lova avy amin'ny ray aman-dreny na talenta avy amin'ny [[Zanahary (anaran-tsamirery)|Zanahary]] ny fanandroana. Ilain'ny Nataolo malagasy ny manontany mpanandro alohan'ny hiterahana, hanamboarana trano na fasana, hanaovana hasoavana na fanambadiana, hisantatra na hitokana zavatra, handevina sns. {{tohiny|fanandroana malagasy}}
----</noinclude>
[[Sary:SARS-CoV-2 without background.png|vignette|100x100px|Ny tsimokaretina coronavirus ]]
Tamin' ny 20 Marsa 2020 vao fantatra amin' ny fomba ôfisialy ny fisian' ny '''[[valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara]]''', araka ny fanambaràna nataon' ny filoham-pirenena malagasy [[Andry Rajoelina]]. Vehivavy telo avy any [[Frantsa]] no hita fa mararin' io aretina io rehefa nidina avy tamin' ny fiaramanidina nitondra azy ireo ka notsapaina hafanana. Raikitra avy hatrany ny fandraisana fepetra toy ny fanajanonana ny sidina rehetra avy any ivelany (fanambaràna tamin' ny 17 Marsa 2020) mandritra ny 30 andro manomboka ny 20 Marsa 2020, ny fanentanana ny vahoaka hihiboka ao amin' ny toeram-ponenany avy, ny fijerena ny mari-panan' ireo olona anaty fiara mbola niala na niditra ny tanàn-dehibe toa ny renivohitr' i Madagasikara, ny fampiatoana ny fitateram-bahoaka, ny fanakatonana ny toeram-piasana mety hahitana olona maro ary ny fanakatonana ny sekoly sy ny toeram-pivavahana.
 
Misy fiantraikany ara-tsosialy ny fahatafidiran' io valanaretina io eto Madagasikara sy ireo fepetra tsy maintsy noraisin' ny fanjakana, ka isan' izany ny fisondrotry ny vidin' entana sasany, ny fahasahiran' ireo mpitrongy vao homana, ny fahaverezan' asan'ny olona maro, ny fijalian' ireo olona avy na mandalo ao [[Antananarivo]] na [[Toamasina]] ka mikasa hody any amin' ny faritra hafa, na ireo mikasa hody ao Antananarivo na ao Toamasina avy any amin' ny faritra hafa.
 
Ny [[Institut Pasteur eto Madagasikara]] no misahana ny fitiliana ny aretina tamin' ny voalohany, ka ny hôpitaly manara-penitra eny Andohatapenaka no misahana ny fanaraha-maso ny fivoaran' ny aretin' ireo olona tazomina ao. Rehefa nitombo ny tranga dia natsangana koa ny toerana maro hanaovana fizaham-pahasalamana sy handraisana ny mararin' ny Covid-19.
 
Arakaraka ny fisehon' ny olana no itadiavan' ny fitondram-panjakana paikady hamahana ny olana misy eo amin' ny fiarahamonina, isan' izany ny famelomana ny "Tsena Mora" sy ny fizarana sakafo maimaimpoana ho an' ny sokajin' olona heverina fa marefo. Nanampy ny firenena malagasy ara-tsosialy koa ny fikambanana sy ny firenena sasany avy any an-dafy.
 
Ho takalon' ny fiarovana ny olona tsy ho azon' ilay valanaretina dia niantraika amin' ny toekarena malagasy ny fepetra noraisin' ny fitondram-panakana izay nanidy ny toeram-pivarotana sy ny orinasa mpamokatra ary ny fitaterana manerana an' i Madagsikara. Isan' ny tsy voatsinjo koa ny fianaran' ny zaza malagasy tamin' ny fanakatonana aloha loatra ny sekoly rehetra manerana an'i Madagasikara, eny na dia mbola tsy nidiran' ilay valanaretina aza ny faritra maro raha tsy taty aoriana be aza. {{tohiny|valanaretin'ny coronavirus eto Madagasikara}}