Tetiandro tibetàna: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Rohy
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
kAucun résumé des modifications
Andalana faha-1:
Ny '''tetiandro tibetàna''' dia [[tetiandro manara-bolana sy masoandro]] izay ampiasaina amin' ny raharaham-panjakana ao [[Tibeta]] hatramin' ny taona 1027 nefa efa nisy talohan' izay.
 
Manomboka amin' ny andro ahatsinanan' ny volana manaraka ny fidiran' ny [[masoandro]] ao amin' ny [[antokon-kintan'ny Ondrilahy|antokon-kintan' ny Ondrilahy]] (Alahamady) ny taona amin' io tetiandro io. Arakaraka ny taona dia mitranga eoleo anelanelan' ny fiantombohan' ny volana Febroary sy ny fanombohan' ny volana Marsa izany. Ankalazaina amin' io daty io ny taom-baovao tibetàna izay atao hoe ''Losar''. Tamin' ny taona 2008 dia nankalazaina tamin' ny 7 Febroary ny taom-baovao tibetàna. Misy volana roa ambin' ny folo (na indraindray telo ambin' ny folo) ny taona iray ao amin' ny tetiandro tibetàna.
 
Manana anarana ny taona tibetàna ka anaram-biby ireo anarana ireo sady ampifandraisana amin' ny singa dimin' ny filozofiafilôzôfia sinoa. Ny volana anefa tsy manana anarana manokana fa tondroina amin' ny laharany ao amin' ny taona.
 
Izao ny fifanarakarahan' ny anaran-taona ao amin' ny tetiandro tibetàna: Bitro, Dragona, Bibilava, Soavaly, Ondry, Rajako, Akoholahy, Kisoa, Voalavo, Omby ary Tigra. Ireto koa ireo singa dimy: Afo, Tany, Metaly, Rano, Hazo.
 
== Jereo koa ==