Doalisma (finoana): Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Aucun résumé des modifications
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
Nanitatra
Andalana faha-4:
 
Teo amin'ny tantaran'ny [[fivavahana kristiana]] dia doalista ny [[bogomilisma]], ny [[katarisma]], ny [[gnostisisma]], ny [[markionisma]] ary ny [[paolisianisma]].
 
== Ny fivavahana iraniana doalista ==
 
=== Ny mazdeisma ===
Ny [[mazdeisma]] dia fiivavahana tao [[Iràna]] taloha izay mampianatra ny fifanoheran'ny foto-javatra roa, dia ny Tsara (na Ohrmazd) izay nahary an' izao tontolo izao, sy ny Ratsy (na Ahriman), izay miezaka hatrany ny hanimba ny zava-bitan' i Ohrmazd. Izany ady izany anefa tsy maintsy hifarana amin' ny faharesan' i Ahriman sy fandresen' i Ohrmazd.
 
=== Ny zôrôastrisma ===
Ny [[zôrôastrisma]] dia fivavahana [[Mônôteisma|mônôteista]] niorina tany [[Persia]] tany amin’ ny taonjato faha-7 tal. J.K. izay nivoatra avy amin' ny mazdeisma. Manao an' i [[Ahora Mazda]] (''Ahura Mazda'') ho Andriamanitra tokana ny zôrôastrisma nefa manindry mafy ny fifanoheran’ny herin’ ny tsara amin’ ny herin’ ny ratsy ka tsy mitory fisian’ andriamanitra roa.
 
=== Ny zervanisma ===
Ny [[zervanisma]] dia fihetsiketsehana ara-pivavahana izay nahazo io anarany io avy amin' ny anaran' ny mpandray anjara tantaraina amin' ny [[fedrà]], atao hoe Zorvàna. Tany [[Persia]] tamin' ny andron'ny [[Akemenida]] no nipoiran' io fivavahana io ary heverina fa nisy talohan' ny zôrôastrisma izay nahazoany ampahany tamin' ny fampianarany, indrindra ny doalisma.I Zorvàna anefa dia hevitra fa tsy andriamanitra. Foto-javatra tsy voafaritra i Zorvàna, mpamorona ny [[demiorga]] kambana roa, ka ny Ratsy (i Ahrimàna) dia ilaina amin' ny fototry ny [[Famoronana (finoana sy fedrà)|famoronana]].
 
=== Ny manikeisma ===
Ny [[manikeisma]] dia fivavahana nioiirna tany [[Persia]] tamin' ny taonjato faha-3, izay fifangaroan' ny zôrôastrisma sy ny [[bodisma]] ary ny [[kristianisma]]. Nandray zavatra be dia be tamin' ny [[gnôstisisma]] ny manikeisma. Ny ivon' ny fampianaran' ny manikeisma dia ny fizarany izao rehetra izao ho roa, ahitana ny fanjakan' ny Tsara (atao hoe fanjakan' ny Fahazavana) izay anjakan' [[Andriamanitra (tokana)|Andriamanitra]], sy ny fanjakan' ny Ratsy (na fanjakan' ny Haizina) izay anjakan' i [[Satana]].
 
== Ny doalisma teo amin' ny tantaran' ny kristianisma ==
 
=== Ny bôgômilisma ===
 
 
Ny katarisma
 
 
Ny gnôstisisma
 
 
Ny markiônisma
 
 
Ny paolisianisma
 
== Jereo koa: ==