Fitenin' ny Ôily: Fahasamihafan'ny versiona

Contenu supprimé Contenu ajouté
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k nanova ny anaran'i Fiten'i Ôily ho Fiten'Ôily i Thelezifor
Thelezifor (dinika | fandraisan'anjara)
k Sary
Andalana faha-1:
[[Sary:Proposition de découpage des langues d'oïl pour enregistrement dans le Wiktionnaire.png|vignette|266x266px]]
Ny '''fiten'Ôily''', izay antsoina fotsiny hoe '''Ôily''' dia [[fiteny rômana]] izay nivoatra tao amin'ny tapany avaratra ao [[Galia]], avy eo tao amin'ny tao amin'ny tapany avaratr'i [[Frantsa]], tao atsimon'i [[Belzika]] (Belzika rômana) ary tap amin'ireo Nosy Anglo-Normanda, ary notenenin'ny olona tamin'ny [[Andro Antenantenany]]. Nifangaro tamin'ny fiteny frantsay tranainy izy, izay mahafaoka tamin'izany fotoana izany ireo fitenim-paritra ôily. Ny fisandratan'ny endri-piteny tokana sady nampanarahim-penitra tamin'ny fiandohan'izany vanimpotoana vaovao izany (dia ny fiteny frantsay ankehitriny) no nahatonga ny fanavahana zay ireo ho maro lasa tsy nisy antony intsony tamin'ny fotoan'ny fiteny frantsay afovoany: tamin'izany no nanavahana ny fiteny frantsay andaniny sy ireo fiteny ôily hafa ankilany. Navondrona ao amin'ny vondrom-piteny galo-rômana ireo fitenin'Ôily. Ity vondrom-piteny any avaratra ity dia nitahiry ireo fototra avy amin'ny [[fiteny seltika]] maro indrindra sady niharan'ny akon'ny [[Sampam-piteny jermanika|fiteny jermanika]] raha mitaha amin'ny fiteny oksitano-rômana any atsimo, izany hoe ny [[fitenin'Ôka]].