Ny mandravasarotra, izay atao hoe saro na sakarivohazo na fanalamangidy koa, dia zavamaniry voninkazo tsy hita afa-tsy eto Madagasikara. Atao hoe Cinnamosma fragrans ny anarany ara-tsiansa. Fanao fanafody ny mandravasarotra. Ny raviny no tena ampiasaina. Maniry amin' ny tany misy silisy amin' ny faritra maina ny mandravasarotra. Miloko maitso matroka ny raviny ary sory kirakirany.

Mandravasarotra

Ny menaka avy amin' ny mandravasarotra dia itsaboana ny aretina vokatry ny bakteria na ny virosy. Maro ny aretina (vokatry ny bakteria, ny virosy, ny holatra madinika, ny katsentsitra, ny hatsiaka, sns) sy ny karazan-karerahana azo sitranina amin' ny fampiasana ny menaka mandravasarotra: rehoka, sinozita, aretin' ny lalanjaza, aretin' ny traotraoka, gripa, aretin-tsofina, sns.

Ny mombamomba an' ilay zavamaniry hanova

Toetoetrany hanova

Ny mandravasarotra dia hazo madinika tsy maniry afa-tsy eto Madagasikara, manitra, misy zorozorony ny tahony, maitso matroka ny raviny, mitondra vavimbony sy lahimbony ny voniny. Ny voany dia miovaova endrika sy habe, izay misy vihy miisa eo anelanelan' ny 1 sy 15 isaky ny voa.

Toerana aniriany hanova

Maniry maro amin' ny ala maina mikitroka any avaratra-andrefan' i Madagasikara ny mandravasarotra, amin' ny tany be silisy amin' ny faritra a-morontsiraka amin' ny haambo latsaky ny 600 m

Fampiasana ny mandravasarotra hanova

Fitsaboana nenti-paharazana hanova

Ny menaka mandravasarotra dia mitovitovy amin' ny an' ny ravintsara: ampiasaina hiadiana amin' ny kohaka sy ny sohika ary ny fivalanan-dra mitreraka fahaverezan-drano be loatra ny fakany; iadiana amin' ny tazomoka, itsaboana ny ratra koa izy, analana ny herin' ny poizina voatelina, ho an' ny vehivavy saro-piterahana; ny fandomana ny raviny dia ampiasaina ho an' ny zaza matavy na mahia loatra.

Fitsaboana nentim-paharazana nohatsaraina hanova

Ny fampifangaroana azy amin' ny singa hafa dia ahazoana mitsabo ny aretin' aty, ny sinozita, ny tazomoka. Azo tsaboina amin' ny mandravasarotra koa ny aretin' ny lalan' amany, aretina sasany mahazo ny fitaovam-pananahan' ny vehivavy, ny aretina mahazo ny ati-vava (aretina sy ratran' ny hihy) sy ny vavony,

Fandroahana sy fomoana moka hanova

Mahafaty moka koa ny mandravasarotra ary mandroaka ny moka miteraka ny tazomoka.