Malvaceae
Ny Malvaceae dia fianakavian-javamaniry roa ravin-tsimoka, hita amin' ny faritra maro eto amin' izao tontolo izao (any amin' ny faritra tena mangatsiaka ihany no tsy ahitana azy), izay mety hiseho amin' ny endrika kirihitra, hazobotry ary ahitra isan-taona na maharitra, mahalana raha hazo, ahitana karazana 4 225 mizara ho 244 vondron-karazana.

Be dia be izy ireo, indrindra any amin' ny faritra mafana any Amerika Atsimo, fa vitsy kosa ny any amin' ny faritra manana toetany antonony, indrindra fa amin' ny manodidina an' i Mediteranea. Ny faritra sasany, toa an' i Madagasikara na ny vondronosy Hawaii, dia manana vndron-karazana sy karazana tsy fahita any ivelany.
Anisan' ny karazana manana ny lanjany ara-toekarena ny Theobroma cacao (hazo kakaô) izay mamokatra sôkôla, ny Gossypium (landihazo), ny Durio zibethinus ary ny Abelmoschus esculentus. Amin' ny zavamaniry fanao haingon-trano sy mahasoa, dia ireto ny be mpahalala:
- ny Hibiscus, vondron-karazana lehibe indrindra, misy karazana miisa 300.
- ny Tilia, misy karazana 45;
- ny Alcea;
- ny Althaea;
- ny Malva;
- ny Adansonia (zaha na reniala) karazana 8.
Zana-pianakaviana
hanovaNy fianakaviana Malvaceae dia mizara ho zana-pianakaviana sivy:
- Bombacoideae
- Brownlowioideae
- Byttnerioideae
- Dombeyoideae
- Grewioideae
- Helicteroideae
- Malvoideae
- Sterculioideae
- Tilioideae
Jereo koa
hanovaFianakavian-javamaniry hafa: