Fiteny malayalam
(tonga teto avy amin'ny Malayalam)
Ny fiteny malayalam (amin'ny fiteny malayalam : മലയാളം, malayāḷam) dia anisan'ny fiteny dravidianina tenenina any atsimon'i India. Teny ofisialin'ny faritany mizaka-tenan'i Kerala ilay fiteny ka teny ofisialin'i India ihany koa. Ny toerana hafa manana ny fiteny malayalam ho teny ofisialy dia ao amin'ny faritan'i Lakshadweep ary any Pondicherry. 35,9 tapitrisa no isan'ny mponina miteny ilay fiteny any India ary manerana izao tontolo izao.
Ny fiteny malayalam dia avy amin'ny fiteny tamily ; nisongadina ilay fiteny ny taonjato fahaenina. Betsaka ireo voambolana malayalam avy amin'ny fiteny sanskrity, fiteny indo-eoropeana iray, ary avy amin'ny fiteny sanskrity ny valopolo isan-jaton'ny voambolany.