Manisa

(tonga teto avy amin'ny Magnesia any Sipilosy)

I Manisa, izay nantsoina hoe Magnesia any Sipilôsy tany aloha, dia itanàna any Torkia ao amin' ny prefektioran' ny faritany mitovy anarana aminy.

Teo akaikin' i Magnesia any Sipilôsy, tao amin' ny lemaka eo am-pihaonan' ny renirano Hermôsy sy Frigia dia nisy ady tamin' ny ririnin' ny taona 190 hatramin' ny taona 189 tal. J.K. ka tsotsori-mamba nisarahan' ny Rômana notarihin' i Lokio Kôrnelio Skipio (latina: Lucius Cornelius Scipio) sy ny mpanjaka seleokida Antiôkôsy III izany. Resy tamin' izany ny Seleokida. Nakambana tamin' ny Empira Rômana ilay tanàna, avy eo tamin' ny Empira Bizantina. Lasan'ny Empira Ôtômàna izy tamin' ny taonjato faha-15 taor. J.K. Teo anelanelan' ny taona 1919 sy 1922 io tanàna io dia nobodoin' i Gresy (na Grisia).