Literatiora rabinika

Ny literatiora rabinika dia ahitana izay rehetra nosoratan' ny raby nanomboka tamin' ny Andro Antenatenany ka hatramin' izao. Avahan' ny Jiosy amin' ny Sifrout 'Hazal ("literatioran' ny olon-kendrintsika, fahatsiarovana voatahy") - izay mahafaoka ny vanim-potoana nanomboka amin' ny famolavolana ny Mishnah ka hatramin' ny fanakatonana ny Talmud - ny asasoratry ny raby tatỳ aoriana, ny tena atao hoe literatiora rabinika. Ny famaritana akademika momba io teny io, mifanohitra amin' izany, dia tsy ahitana afa-tsy ny Talmud sy ny Midrash ary ny asasoratra madinika manodidna azy ireo, ary tsy tafiditra ao anatin' izany ny sanganasa noforonina taty aoriana.