Ny Lemba, izay atao hoe wa-Remba na Mwenye, dia foko mainty hoditra banto ao amin' ny faritra atsimo ao Afrika. Eo amin' ny 70 000 eo ny isan' izy ireo ka ahitana azy ny ao Afrika Atsimo (indrindra ny ao amin' ny faritanin' i Limpopo), ny ao Zimbaboe, ny ao Malaoy, ary ny ao Môzambika. Manana fototarazo mitovy amin' ny an' ny Jiosy izy ireo. Na dia miteny banto mitovitovy amin' ny an' ireo foko hafa mifanerasera aminy aza izy ireo dia mitandrina fanao ara-pivavahana tahaka izay fahita amin' ny fivavahana jiosy sy silamo, sy fomban' ny vahoaka mpifindrafindra monina izay heverina fa mety avy any Afrika Avaratra na avy any Afovoany Akaiky. Araka ny filazan' izy ireo dia niampitampita tamin' ny alalan' ny lovatsofina izany fanao izany[1].

Lemba

Ny fandinihana ny foto-tarazo dia mampiseho fitoviana amin' ny an' ny ampahan' ny vahoaka jiosy taranak' ireo mpisorona.

Araka ny lazain' ny Tudor Perfitt, mpampianatra momba ny sivilizasiona tatsinana sy afrikana ao amin' ny University of London, dia miisa 50 000 eo ny Lemba[2].

Nanomboka tamin' ny faramparan' ny taonjato faha-20 ny haino aman-jery sy ny mpikaroka maro eny amin' ny oniversite dia nihaliana tamin' ny fitakian' ny Lemba ny maha taranaka iray azy ireo sy ny Jiosy [3] [4] [5]; Ny fikarohana momba ny fototarazo tamin' ny taona 2000 dia nahitana fa ny ampahany amin' ny Lemba dia manam-piaviana tatsinanana [6] [7]. Ny fikarohana natao taty aoriana dia tsy manohana ny fisian' ny fototarazo mitovy eo amin' ny Lemba sy ny Jiosy.

Jereo koa hanova

Loharano hanova

  1. Le Roux, Magdel (2003). The Lemba – A Lost Tribe of Israel in Southern Africa?. Pretoria: University of South Africa. pp. 209–224, 24, 37.
  2. Parfitt, Tudor. (2002), "The Lemba: An African Judaising Tribe", in Judaising Movements: Studies in the Margins of Judaism, edited by Parfitt, Tudor and Trevisan-Semi, E., London: Routledge Curzon, p. 42-43
  3. Parfitt, Tudor (1993/2000) Journey to the Vanished City: the Search for a Lost Tribe of Israel, New York: Random House (2nd edition)
  4. Parfitt, Tudor. (2002), "The Lemba: An African Judaising Tribe", in Judaising Movements: Studies in the Margins of Judaism, edited by Parfitt, Tudor and Trevisan-Semi, E., London: Routledge Curzon, , p. 39
  5. Wuriga, Rabson (1999) "The Story of a Lemba Philosopher and His People", Kulanu 6(2): pp.1,11–12] (Tahiry 16 May 2012).
  6. Spurdle, AB; Jenkins, T (November 1996), "The origins of the Lemba "Black Jews" of southern Africa: evidence from p12F2 and other Y-chromosome markers.", Am. J. Hum. Genet., 59 (5): 1126–33, PMC 1914832, PMID 8900243
  7. Kleiman, Yaakov (2004). DNA and Tradition – Hc: The Genetic Link to the Ancient Hebrews. Devora Publishing. p. 81. ISBN 978-1-930143-89-0.