Ny lela dia taova ao anaty vava, indrindra ao amin' ny biby efatra rantsam-batana (Tetrapoda), izay ampiasaina hamadibadika ny sakafo amin' ny fitsakoana sy fitelemana ka mandray anjara amin' ny fandevonan-kanina. Izy koa no taova amantarana ny tsiro. Rakotra marokoroko madinika maro ny vohon' ny lela. Mora mahatsapa zavatra ity taova ity sady mando lava amin' ny rora ary be dia be ny fitatitra sy ny lalan-dra ao aminy. Ny lela koa dia fitaovana voajanahary hanadiovana ny nify. Anjara asa lehibe sahanin' ny lela ny fanampiany ny olona amin' ny fanononana teny ary ny fanampiany ny biby hafa amin' ny fanovaovana ny feo.

Lela

Jereo koa

hanova