Laôdikea

(tonga teto avy amin'ny Laodikea)

I Laôdikea na Laôdikia na Laôdisea dia tanàna renivohitr' i Frigia na Frizia any Azia Minora. Antsoina amin' ny teny latina hoe Laodicea ad Lycum ("Laôdikea amoron' i Likôsy" na "Laôdisea amoron' i Likôsy") mba hiavahany amin' ny fampiasana io anarana io ho anaran' olona. izy. Amin' ny teny grika kosa dia atao hoe Λαοδίκεια ἡ ἐν Φρυγία / Laodikeia ê en Phrugia ("Laôdikean' i Frigia" na "Laôdisean' i Frizia") izy. I Likôsy dia tsy inona fa renirano manondraka ny lemak' i Denizli sy ny lemak' i Çürüksu any Torkia; ankehitriny ny Torka dia miantso io renirano io hoe Çürüksu Çayı (midika hoe "reniranon' ny rano lo"). Mbola hita ny sisam-paharavan' io tanàna io eo anelanelan' ny tanàna ambanivohitr' i Goncali sy ny vakin-tanàn' i Eskihisar, 6 km miala ny ivon' i Denizli ao Torkia. Nandroso kokoa noho i Kôlôsia (na Kôlôsy) tanàna akaiky azy i Laôdikea tamin' ny fotoan'androny.

Sisam-paharavàn' ny tanànan' i Laôdikea
Ireo tanàna misy ny fiangonana fiton' ny Apôkalipsy ao Asia Minora (na Anatôlia)

Noho ny habetsahan' ny Jiosy na Jody monina ao Laôdikea dia lasa fiangonana nanana eveka izy. Iray amin' ireo Fiangonana fiton' i Azia resahina ao amin' ny bokin' ny Apôkalipsy (Apô 3.14-22)[1] ny fiangonan' i Laôdikea: manome tsiny ny Kristiana tao Laôdikea ny mpanoratra noho izy "matimaty" (Apô 3.16). Nisy kônsily lehibe natao tao Laôdikea tamin' ny taona 364 taor.J.K., dia ilay atao hoe Kônslin' i Laôdikea.

Jereo koa hanova

Tanàna misy ireo fiangonana fiton' ny Apôkalipsy:

Loharano sy fanamarihana hanova

  1. "15 Manorata koa ho an' ny anjelin' ny Eglizin' i Laodisea: Izao no lazain' ny Amena, ilay Vavolombelona mahatoky sy marina, Fototry ny zava-boarin' Andriamanitra. 16 Fantatro ny asanao: tsy mangatsiaka na mafana hianao: nefa aleo mangatsiaka na mafana hianao; 17 fa noho hianao matimaty, na hoe tsy mangatsiaka tsy mafana, dia efa haloan' ny vavako hianao." (Ny Baiboly Masina)