Ny teny hoe krizy ara-bola dia ampiasaina mba hanonona zava-mitranga mikasika ny krizin'ny fifanankalozana, ny krizin'ny banky ary ny krizy ara-borsa.

Ny krizy ara-bola tamin'ny 2007-2010 hanova

Ny krizy ara-bola nitranga tamin'ny telovolana faha efatra tamin'ny taona valo sy roa arivo dia laharam-piovana faha roa an'ny krizy ara-bola tamin'ny 2007-2010, teo aorian'ny krizin'ny subprimes tamin'ny telovolana faha telon'ny taona fito sy roa arivo. Io laharampiovana faharoa io, vomariky ny fanitarana ny krizin'ny vola taratasy sy ny krizim-patokisana sy fanampiana trosa fanampin'ny fiakaran'ny taha iraisan'ny banky, dia mikasika ny firenena manerana ny tany. Hita tao amin'ny toerana ilalaovam-bola io krizy io tamin'ny fidinan'ny tao ara-bola (action) (misy miteny « krach ny fararano 2008[1]), milanja eo amin'ny hetsika ara-toe-karen'ny tontolo ny tsindrin'ny trosa eo anivon'ny orinasa sy ny tokantrano.

Io laharam-piovàna io dia manomboka eo amin'ny herinandron'ny 14 Septambra 2008 tamin'ny tranom-bola amerikana nijanona nandoha vola, ary voaavotry ny Banky Foibe Amerikana (Fed), torak'izany koa ny antoka AIG, novidian'ny mpifaninana tsara fisiana kosa ara-bola, na tonga dia bankiropotra tanteraka toy ny banky Lehman Brothers. Misy orinasa hafa avotan'ny Fireneny amin'ny alàlan'ny fivadihany ho orinasam-pirenena toy Freddie Mac sy Fannie Mae tamin'ny 6 Septambra 2008. Any Eoropa indray, maro ny tranom-bola avotry ny Firenena sy ny Banky Foibeny (Banky Foibe Eoropeana moa ao amin'ny Faritra Euro) ; ny orinasan-toky iraisam-pirenena Nederlanden Groep dia nomen'ny firenena vola folo miliara euro.

Jereo koa hanova

Rohy ivelany hanova

 
Mbola ambangovangony ity lahatsoratra ity ary tokony hofenoina.

Azonao atao ny mandray anjara eto amin'ny Wikipedia amin'ny alàlan'ny fanitarana azy.
Jereo koa ny pejy Ahoana ny manao takelaka rehefa te-hijery hoe ahoana no fanaovana azy.

  1. Dikan-tenin'ny « krach de l'automne 2008 »