Ny Konta dia voalaza fa Arabo tany am-boalohany, taranak' i Oqba ibn Nafi na Berbera avy amin' ny fiaviana zenata. Miorim-ponenana ao Maly sy Maoritania sy Marôka ary Sahara Andrefana izy ireo.

Konta any amin' ny faritr' i Tombouctou manoàdidina ny taona 1908.

Tamin' ny taonjato faha-11 dia izy ireo no nampiely indray ny fivavahana silamo avy any Maoritania, izay naharitra hatramin' ny taonjato faha-15.

Ny ankamaroan' ny Konta dia mikambana ao amin' ny Mokhtaryya, sampana tany am-boalohan' ny Qadiriyya, iray amin' ny fikambanam-pirahalahiana sofy lehibe (atao hoe Tariqa) ao amin' ny silamo any Afrika Andrefana. Fantatra manerana ny afovoany sy ny andrefana amin' i Sahara, ary koa any amin' ny manodidina, izy ireo amin' ny maha mpihazona fahalalana ara-tsaina sy ara-pivavahana azy ireo.

Mbola mipetraka any Maoritania, any tsimo amin' i Marôka, any atsimo amin' i Alzeria (kaominin' i Zaouiet Kounta) ary any avaratra amin' i Maly ny foko konta maro ankehitriny.