Konsily tao Tolosa, taona 1229

Ny Kônsily tao Tôlôsa tamin' ny taona 1229 dia konsily natao hiatrehana ny firoborobon'ny fampianara-diso tao Eorôpa Atsinanana tamin' ny taonjato faha-13. Tao Tôlôsa (frantsay: Toulouse; latina: Tolosa) no nanatanterahana izany ka nanao fandaminana matipaika momba ny mpanao fampianaran-diso sy ny famaizana azy ireo. Tamin' ny taonjato faha-13 dia tanàn-dehibe nanana ny maha izy azy i Tôlôsa ka nanjaka tanteraka tanteraka tamin' ny faritr' i Lengadôka (oksitàna: Lengadòc; frantsay: Languedoc).

Izany kônsily izany dia notanterahina tamin' ny fiafaran' ny ady tamin' ireo Albigesy (frantsay: Albigeois) izay nofaizin' ny Inkizisiona ka isan' izany ny fandrarana hamaky Baiboly, ny fandrarana hanana Baiboly amin' ny fiteny andavanandron' ny olona, ny fandrarana ny fandikan-teny ny Baiboly avy amin' ny teny latina ho amin' ny fiteny andavanandron' ny olona, ny fananganana ny Oniversiten' i Tôlôsa, fanangana tafika hiadiana amin' ny fampianara-diso.