Hanokatra ny renilisitra

Ny Konsily fahatelo tao Konstantinopoly na Konsily fahatelo tao Konstantinopla dia konsily ekiomenika fahenina teo amin'ny tantaran'ny Fivavahana kristiana, izay natao tamin'ny taona 680 sy 681. Nambara tamin'io konsily io fa manana sitrapo roa i Kristy amin'ny maha olombelona sy Andriamanitra azy, dia sitrapon'olombelona sy sitrapon'Andriamanitra. Ny emperora Kostantino IV no nampanao io konsily io mba handaminana ny tsy fifanarahan-kevitry ny Fiangonan'i Kostantinopoly sy ny Fiangonan'i Roma nateraky ny atao hoe monotelisma. Nohelohina noho izany ilay atao hoe monotelisma izay milaza fa i Kristy dia tsy manana afa-tsy hery iray sy sitrapo iray, dia ny sitrapon'Andriamanitra, na dia manana natiora roa aza.

Jereo koa:Hanova