Katharina von Bora

I Katharina von Bora dia vadin' i Martin Lotera ilay mpanao fiangonana alemàna ary olo-malaza amin' ny Fanavaozana Prôtestanta na Refôrmasiôna. Teraka tamin' ny 29 Janoary 1499 izy ary maty tamin' ny 20 Desambra 1552. Taorian' ny fanambadiany izy dia nantsoina hoe Katharina Luther, na "die Lutherin" ihany koa. Na dia kely aza ny zava-pantatra momba azy dia matetika izy no heverina ho manan-danja teo amin' ny Refôrmasiôna, satria ny fanambadiany dia nametraka ohatra ho an' ny fiainam-pianakaviana prôtestanta sy ny fanambadian' ny mpitondra fivavahana.

Katharina von Bora, vadin' i Martin Lotera