Katekisma Lehiben' i Lotera

Ny Katekisma Lehiben' i Lotera na Foto-pianarana Lahibe dia katekisma na katesizy nosoratan' i Martin Lotera. Ahitana asasoratra nataon' i Lotera sy lahatsoratra kanônika kristiana natambatra izy io, navoaka tamin' ny Avrily 1529. Atao hoe Der Große Katechismus izy amin' ny teny alemàna. Ity boky ity dia natokana ho an' ny mpitondra fivavahana mba hanampiana azy ireo indrindra amin' ny fampianarana ny fiangonany, sy ho an' ny raim-pianakaviana amin' ny fampianarana ny ankohonany.

Pejin-dohatenin' ny fanontana voalohany ny Katekisma Lehiben' i Lotera, Wittenberg 1529.

Pejin-dohatenin' ny fanontana voalohany ny Katekisma Lehiben' i Lotera, Wittenberg 1529.

Misy fizaràra dimy ny Katekisman' i Lotera:

Ny Katekisma Lehibe, miaraka amin' ny lahatsoratra hafa mifandraika aminy, dia navoaka tao amin' ny Bokin' ny Kônkôrda tamin' ny taona 1580.

Jereo koa hanova