Katôlisisma ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô

Ny katôlisma ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô no fivavahan' ny maro anisa ao amin' io firenena io. Tamin' ny fiantombohan' ny taonjato faha-16, tamin' ny andro najakan' i Nzinga Mbembe dia lasa fivavaham-panjakana ny katôlisisma, izay nampidirin' ireo Zezoita. Tsy ny Zezoita ihany anefa no nanatanteraka ny asan' ny misionera fa tao koa ny Fransiskanina, ny Dôminikanina, sy ny maro hafa. Ny tantaran' ny katôlisisma ao amin' ny Repoblika Demôkratikan' i Kôngô dia mifamatotra amin' ny tantaran' ny fanjanahan-tany aorôpeana. Ankehitriny dia Katôlika ny mponina kôngôley miisa 35 000 000 any ho any, izany hoe manakaiky ny antsasaky ny isan' ny vahoaka kôngôley (50 %).

Ny katedralin' ny Eglizy katôlika rômaninan' i Saints Pierre et Paul ao Lubumbashi, izay naorina tamin'ny andron' ny fanjanahan-tany belza.

Jereo koa hanova