Ny kaodim-paositra dia vondron-tarehimarika na tarehin-tsoratra ampidirina ao amin'ny adiresy amin'ny paositra, sady ampiasain'ny paositra mba hanamora sy hanafainganana ny fandefasana ny taratasy na ny fonosana alefa. Miovaova ny endriky ny kaodim-paositra arakaraka ny firenena.