Kakaô (zavamaniry)
(tonga teto avy amin'ny Kakaô)
Ny kakaô, na hazo kakaô, dia hazo maitso kely, 4 hatramin' ny 8 m ny halavany, ao amin' ny fianakaviana Malvaceae. Theobroma cacao ny anarany ara-tsiansa.


Manome voany azo hanina izay manana tsirony samihafa arakaraky ny karazany izy io, voa izay nanamboarana ny kakaô, vokatra fototra amin' ny fanaboarana ny sôkôla.