KABARY FAMANGIANA TERA-BAO

Tompkolahy sy tompokovavy.

Sambatra ny vary: afafy miara-maniry, akarina miara-mitoetra: tohan'ainan'ny olom-belona, reharehan'ny manana azy.

Fa samba mihoatra lavitra noho izany ianareo ray aman-dreny: notahin'Ilay Nahary ka tafavoaka tamin'ny lamba fito sosona ary tafita soa aman-tsara ka nahazo ny dimby sy fara: zaza hitomany hanala fahanginana an-trano, ankizy hilalao andravaka ny tokontany, tanora hitomba fahendrena fiharatra jerena, ary raha hatrizay lehibe tonga taiza dia hanemitra voninahitra anareo nahitany masoandro amam-bolana.

Koa arabainay ianareo fa namafy dia nahavokatra, bevohoka dia nanao soa, tonga andro dia niavy mora.

Arahaba nahazo ny menakiniaina: handimby ny anaran-dray ary handova ny anaran-dreny, hifanantitra amin'ny mpianakavy.

Enga anie ny zaza: tsy ho tian'ny rofy, hankahala ny tambaviana ary ho lavitry ny kely aizana, ka hitombo faingana fa maika hamaly babena an'i Dada sy Neny.

Ary hirariana mba hitombo fitia amin'Andriamanitra.

Manaraka izany, vary tsara tohan-jezika mamokatra ary ny zaza tsara tohan-dronono mitombo. Koa indro manolotra ny solon-dro-patsa ho fiombonan'adidy amin'ny fanalehibiazana ny zaza izahay.

Vangiana:

Misaotra tompoko namangy sy nirary soa ary mbola nanome vola ho fiombonan'aina aminay, amin'izao fitezana ny zanakay izao. Fantatray fa tsy tia amin'ny teny na amin'ny lela fontsiny ianareo, fa amin'ny marina ihany koa.

Tsy hovoavalinay izao fa hataonay anareo dia hoy izahay: Ilay Avo fipetraka iva fijery, be fahasoavana ampy mizara: tompon'ny harena ary mpanome ny soa anie hamaly fitia anareo.

Mankasitraka imdrindra tompoko.

Mpamangy: Mahasoava dia tongava taiza ny zaza tompoko.