Jostinosy Martiry

(tonga teto avy amin'ny Jostinosy Martira)

I Jostinosy Martiry na Jostinosy Martira na Jostinosy avy any Napolisy dia mpanoratra mpiaro ny fivavahana kristiana sady filozofa teraka tamin'ny taonjato faha-2 sy maty martira tamin'ny taona 165 tao Roma. Maro ny boky nosoratany tamin'ny teny grika nefa ny ankamaroany dia very afa-tsy ny Απολογίες ("Fiarovana ny finoana") sy ny Προς Τρύφωνα Ιουδαίον Διάλογος ("Resaka tamin'i Trifo"), izay heverina ho isan'ireo soratra nisarahan'ny jodaisma sy ny kristianisma. Izy no azo lazaina ho filozofa kristiana voalohany ka izany no iantsoana azy indraindray hoe Jostinosy Filozofa. Voaheloka i Jostinosy raha nanda ny handray anjara amin'ny fivavahana amin'ny sampy ka notapahin-doha tamin'ny taona 165.

I Jostinosy Martiry

Jereo koaHanova