I John Srephen Piper dia pastora batista sy mpanoratra ary teôlôjiana, teraka tamin' ny 11 Janoary 1964 tao Chattanooga any Tennessee (Etazonia). Nampianatra tao amin' ny Bethel University izy nandritra ny enin-taona (1974-1980). Nisahana ny andraikira pastora lohany izy tao amin' ny fiangonana Bethlehem Baptist Church any Minneapolis, izay mikambana amin' ny Converge nandritra ny 33 taona (1980-2013). Nitarika ny fikambanana evanjelika Desiring God izy, izay fikambanana nahazo ny anarany avy amin' ny boky nosoratan' i John Piper tamin' ny taona 1986 nampitondrainy ny lohateny hoe Desiring God: Meditations of a Christian Hedonist. Ireto koa ny boky sasany nosoratany:

  • Spectacular Sins,
  • What Jesus Demands from the World,
  • Pierced by the Word
  • God's Passion for His Glory
  • Don't Waste Your Life
  • The Passion of Jesus Christ.
I John Piper ao amin' ny fiangonany