Jôahaza (mpanjakan' i Israely)

(tonga teto avy amin'ny Joahaza (mpanjakan'i Israely))

I Jôahaza na Jôakaza dia zanak' i Jeho sady mpanjakan' i Israely tamin' ny taona 814 hatramin' ny 798 tal. J.K. Nanjaka nandritra ny 17 taona izy tao Samaria rehefa nandimby an' i Jeho rainy teo amin' ny fitondrana. Ny zanany atao hoe Jôasy na Jôasa no nandimby azy. Tsy afangaro amin' i Jôahaza na Jôakaza mpanjakan' i Jodà izay mitovy anarana aminy izy.

Ny anarany hanova

Amin' ny teny hebreo dia hoe יְהוֹאָחָז / Yehoakhaz izy fa amin' ny teny grika kosa dia atao hoe Ιωαχαζ / Iôakhaz ary amin' ny teny latina dia atao hoe Ioachaz. Ny Baiboly prôtestanta malagasy no ahitana ny hoe Joahaza fa ny Baiboly katôlika malagasy kosa manoratra hoe Jôakaza.

Jereo koa hanova

Mpanjakan' i Israely

Saoly - Isbôseta - Davida - Sôlômôna (na Salômôna) - Jerôbôama I - Nadaba - Baasa (na Basa) - Ela - Zimry - Ômry - Ahaba (na Akaba) - Ahazia (na Ôkôziasa) - Jôrama - Jeho - Jôahaza (na Jôakaza) - Jôasy (na Jôasa) - Jerôbôama II - Zakaria - Saloma - Menahema - Pekahia (na Faseia) - Peka (na Fasea) - Hôsea (na Ôsea).