Jiro sy Rano Malagasy

Ny Jiro sy Rano Malagasy (izay hafohezina amin' ny hoe JIRAMA na Jirama) dia orinasam-pajakana mamokara aratra sy rano eto Madagasikara. Ao Antananarivo no misy ny foibeny. Mahatratra any amin' ny 340 000 any ho any ny mpanjifa aratra ao aminy izay miparitaka amin' ny toerana miisa 114, ary miisa 65 ny ivontoeran' ny mpanijara rano. An' ny fitondram-panjakana malagasy manontolo ny vola miasa ao amin' ny Jirama. Mihoatra ny 1 500 000 tapitrisa Ariary (350 tapitrisa €) ny trosan’ ilay orinasa tamin' ny taona 2024[1]. Tamin' ny taona 2007 izy dia nampiasa vola mitentina 274,88 lavitrisa Ariary.

Masoivohon' ny JIRAMA ao Mahajanga

Tantara

hanova

Tamin' ny 17 Ôktôbra 1975 no niorenan' ny Jirama tamin' ny fampivondronana ny orinasa Société Malagasy des Eaux et Electricité sy Société des Energies de Madagascar. Hatramin' izay ka hatramin' ny 1999, io no hany orinasam-panjakana mpamokatra angovon' aratra ho an' ny daholobe ao amin' ilay firenena. Taorian' ny taona 1999 dia nihazona ny fanaovany ampihimamba ny Jirama teo amin' ny tambajotra fampitana sy ny fanapariahana[2].

Tamin' ny taona 2008, noho ny nananganana tobim-pamokarana herinaratra tao Mandroseza, dia afaka nanome angovo ny mpanjifa 2 000 fanampiny tao Antananarivo ny Jirama[3] saingy mbola nitohy ny tsy fahampiana[4]. Araka ny tatitry ny Tahirim-Bola Iraisam-Pirenena nivoaka tamin' ny Marsa 2018, dia vesatra lehibe ho an' ny toekarena malagasy ny fahasahiranana ara-bola ao amin' ny Jirama[5].

Tamin' ny volana Jona 2018 no nikasa ny hanarenana ny tambajotran-jirony ny Jirama, saingy tamin' ny taona 2023 dia mbola sahirana ny orinasa[6][7]. Tamin' ny volana Desambra 2022 dia nisy trangan-kolikoly vaovao niseho[8] ary nandritra ny taona 2020 hatramin' ny 2022 dia nitombo hatrany ny fatiantoka, raha 2,520 lavitrisa Ariary izany, ka lasa 3,353 lavitrisa Ariary[9].

Asa sahaniny

hanova

Ao Antananarivo no misy ny foiben' ny Jirama izay mamatsy mpanjifa herinaratra miisa 340 000 amin' ny faritra 114 sy foibe famatsian-drano 65. An' ny fitondram-panjakana malagasy manontolo ny Jirama[2].

Tobim-pamokarana herinaratra

hanova

Loharano sy fanamarihana

hanova