Jérôme Louis Rakotomalala

I Jérôme Henri Rakotomalala dia arsevekan' Antananarivo nanomboka tamin' ny taona 1960 ka hatramin' ny nahafatesany tamin' ny taona 1975, ary izy no kardinaly malagasy voalohany. Teraka tamin' ny 15 Jolay 1914 tao Sainte-Marie izy ary maty tamin' ny 1 Nôvambra 1975 tao Antananarivo.

Sarivongana maneho an' i Jérôme Henri Rakotomalala

Notokanana ho pretra tamin' ny 31 Jolay 1943 tao amin' ny diôsezin' i Tananarive izy. Vikera jeneraly izy nanomboka tamin' ny taona 1946 ka hatramin' ny 1960. Tamin' ny 1 Avrily 1960 izy dia notendren' ny papa Joany XXIII ho arsevekan' Antananarivo, nandimby an' i Victor Sartre izay nametra-pialana mba hahazoan' ny pretra eto amin' ny firenena hahazo toerana. Nohamasinin' ny papa izy tamin' ny 8 Mey. Nandray anjara tamin' ny Kônsily Vatikana II teo anelanelan' ny taona 1962 sy 1965 izy.

Ny papa Paoly VI no nanao azy ho kardinaly nitondra ny anaram-boninahitra hoe kardinaly-pretran' i Santa Maria Consolatrice al Tiburtino nandritra ny famorian' ny papa ny kardinaly tamin' ny 28 Avrily 1969. Izy no kardinaly malagasy voalohany.

Jereo koa

hanova