Ile de France (Maorisy)

I Ile de France (nosoratana matetika ny Isle de France tamin' izany) no anaran' i Maorisy aty amin' ny Ranomasimbe Indianina hatramin' ny taona 1810, sady koa zanatany naorin' ny Fanjakan' i Frantsa tamin' ny taonjato faha-18. Notantanan' ny Compagnie française des Indes orientales izy io, ary anisan' ny tao amin' ny empira mpanjana-tany frantsay voalohany.