Ny hazomanga dia tsato-kazo roa na telo mifanakaiky, atsatoka amin'ny toerana iray, izay atao hanatanterahana fianianana na sorona na fitsofan-drano. Ny mpitan-kazomanga (izay atao hoe mpisorona koa) no miandraikitra ny fikarakarana ny zavatra atao eo amin'ny hazomanga. Famantarana ny maha iray firazanana na iray fianakaviana ny hazomanga.