Hagia Sophia
Ny Hagia Sophia izay, fantatra amin' ny fomba ôfisialy amin' ny anarana hoe Môske Lehibe Hagia Sôfia (tiorka: Ayasofya-i Kebir Cami-i Şerifi), no trano fanompoam-pivavahana ao Istanbul, novolavolain' ny jeôgrafa grika Isidoro avy any Mileta sy Anthemius avy any Tralles. Amin' ny teny tiorka izy dia atao hoe Ayasofya, amin' ny teny grika kôine dia Ἁγία Σοφία / Hagía Sophía; amin' ny teny latina kosa dia Sancta Sophia, izay midika hoe "Fahendrena Masina").
Niorina tamin' ny taona 537 ho katedraly patriarika an' ny renivohitra imperialy Kônstantinôpla, io no fiangonana kristianina lehibe indrindra tao amin' ny Empira Rômanina Atsinanana (ny Empira Bizantina) sy ny Eglizy Ôrtôdôksa Atsinanana, afa-tsy tamin' ny Empira Latina tamin' ny taona 1204 ka hatramin' ny 1261, rehefa lasa ny katedraly katôlika latinina ao an-tanàna. Tamin' ny taona 1453, taorian' ny nianjeran' i Kônstantinôpla teo amin' ny Empira Ôtômàna, dia novana ho môske izy io.