Ny haavon-toerana dia ny elanelan'ny toerana iray amin'ny teboka na velarana iaingana, ity dia ny an'ny ranomasina ifanarahana, izay 0 m (aotra metatra), raha ny toerana eto an-Tany no heverina. Refesina araka izany ny hahavon'ny tendrombohitra iray, ny haavon'ny toerana misy ny tanàna iray, ny toerana misy ny zavatra eny amin'ny habakabaka toy ny rahona, ny lalan'ny fiaramanidina, sns. Mety ho miabo na miiba ny haavon-toerana iray. Miiba ohatra ny hahavon-toeran'ny Ranomasina Maty (-392 m izany hoe: 392 m ambanin'ny "haavon'ny ranomasina").