Ny Goronsy vahoaka any Afrika Andrefana hita any atsimo amin' i Borkina Fasô sy any avaratra amin' i Ganà. Miely amin' ny sisin-tany avaratr' i Ganà ka hatrany amin' ny faritr' i Koudougou sy Réo izy ireo.

Gourounga, trano masina goronsy, faramparan' ny taonjato faha-19

Misy zana-poko maromaro miparitaka any afovoany-atsimo amin' i Borkina-Fasô izy ireo. Ny Kasena, izay fantatra amin' ny maritrano miavaka ao amin' ny faritr' i Pô sy Tiébélé ary Léo, ny Lele na Liele ao amin' ny faritra Réo, ny Nony ao amin' ny faritr' i Léo sy Pouni ary Zawara, ny Nonoma ao amin' ny faritra Tcheriba, ny Sisala manodidina an' i Léo, ary ny Kô ao amin' ny faritr' i Siby.

Tantara hanova

Ny lovantsofin' ny Goronsy dia milaza fa avy amin' ny faritry ny Farihin' i Tchad izy ireo. Ny fanadihadiana ara-tantara dia manamafy ny efa nisian' izy ireo tao Borkina Fasô nanomboka tamin' ny taonjato faha-12.

Na dia teo aza ny fandresen' ny Empira Môsy sy ny fanitaran-tany nataony tamin' ny taonjato faha-15 ary ny fanafihany andevo tao amin' ny vohitra maron' ny Goronsy, dia nitazona hatrany ny fizakan-tena sy ny fahaleovan-tenany ny vondrona samihafa ao amin' io foko io. Ny fanoheran' izy ireo ho fihazonana ny fizakan-tenany sy ny fahaleovan-tenany dia vokatry ny fisian’ ny vondrona Liele izay nanana fanjakana niavaka notarihan' ny mpanjaka antsoina hoe Taga Otiè Bassole izay tsy mbola hitan' ny olona hatramin' izao. Nanana tafika matanjaka mpitaingin-tsoavaly voalamina tsara izy nanerana ny faritr’ i Sanguié.

Zana-poko hanova

Ireto avy ny zana-poko ao amin’ io foko Goronsy io:

  • ny Kasena mipetraka any amin' ny faritr' i Pô sy Tiébélé ary Léo;
  • ny Liele any amin' ny faritra Réo sy Ténado ary Didir;
  • ny Nony any amin' ny faritr' i Léo sy Pouni ary Zawara;
  • ny Nonoma ao amin' ny faritr' i Tcheriba;
  • ny Sisala any amin'ny faritr' i Leo;
  • ny Kô ao amin'ny faritr' i Boromo.