Golden Coast (faritra)

I Gold Coast dia morontsiraka afrikana manatrika ny Hoalan' i Ginea eo anelanelan' i Cape Three Points any andrefana sy i Cape Saint-Paul any atsinanana, any Ganà ankehitriny. Amin' ny teny pôrtogey izy dia atao hoe Costa do Ouro; fa amin' ny teny frantsay kosa dia atao hoe Côte de l'Or, izay samy midika hoe "Morontsiraky ny Volamena".

Sary sy soratra famantarana an' i Gold Coast

Nanomboka tamin' ny diany voalohany nataon' ny Eorôpeana hikaroka tany vavao tamin' ny taonjato faha-15 ka hatramin' ny taonjato faha-19, io anarana io dia nampiasaina hanondroana ny tobim-barotra rehetra tany amin' ny morontsirak' i Ginea, izany hoe ny morontsiraka manomboka any Liberià ka hatrany Nizerià, izay nifampivarotan' ny Eorôpeana entana miavaka miaraka amin' ny mponina eo an-toerana. Avy any andrefana ka hatrany atsinanana dia nifandimby i Pepper Coast, Ivory Coast (mifanandrify amin' i Kôtidivoara ankehitriny) , i Gold Coast ary i Slave Coast. I Gold Coast manokana dia nahitana tobim-barotra maro nahafahan' ny Eorôpeana nanakalo ny entany amin' ny akoram-bolamena nalaina tao amin' ny toeram-pitrandrahana any Ganà Ambony (Upper Ghana), tanin' ny Asanty. Notazonina hatramin' ny taona 1957 io anarana io miaraka amin' ny anarana ôfisialin' ny zanatany britanikan' i Gold Coast, izay, rehefa lasa mahaleo tena, dia nitondra ny anarana teratany hoe Ghana; hita eo amin’ ny sarintany anefa io anarana io tamin’ ny atsasany voalohany amin’ ny taonjato faha-20.