Kambana (antokon-kintana)

(tonga teto avy amin'ny Gemini)

Ny Kambana dia antokon-kintan'ny zôdiaka andalovan'ny masoandro amin'ny 21 Jona hatramin'ny 20 Jolay. Ny antokon-kintan'ny Ombilahy no eo andrefany ary ny an'ny Foza no eo antsinanany.

Antokon-kintan'ny Kambana

Avy amin' ny teny arabo dia atao hoe اجوزاء / Al-Djuza ("kambana") io antokon-kintana io, izay niavian' ny anaran' ny vintana sy ny volana malagasy hoe Adizaoza na Alijoza na Alizoza. Io antokon-kintana io dia atao amin' ny teny latina sy anglisy hoe Gemini na amin' ny teny frantsay hoe Gémaux. Amin' ny teny grika dia atao hoe Δίδυμοι / Didumoi (na Didymoi) izy. Amin' ny fiteny soahily dia atao hoe Jauza na Mapacha io antokon-kintana io. Amin'ny teny maley dia atao hoe Jauza na Kembar ihany koa izy.

Anaran'ny evan'ny zôdiaka ampiasaina amin'ny fanandroana mahazatra ny Tandrefana koa ny hoe Kambana izay andalovan'ny masoandro amin'ny 21 Mey hatramin'ny 21 Jona.


Antokon-kintanan'ny Kambana

Jereo koa hanova

Antokon-kintan' ny zôdiaka:

Evan' ny zôdiaka:

Vintana ao amin' ny fanandroana malagasy: