Gazety Akon'ny Diôsezy Ambositra

Fanombohana hanova

Rehefa voahasina ho Eveka i Mgr Fulgence Rabemahafaly, tamin'ny 31 Oktôbra 1999, dia nandefa gazety kely mitondra ny anarana hoe "Akon'ny Diôsezy Ambositra", nivoaka voalohany ho an'ny volana Desambra 1999. Hita tao ny hafatry ny Eveka ho an'ny vahoaka kristianina katolika eran'ny Diôsezy, sy fampitam-baovao samihafa. Nitohy hatrany ny fivoahan'ilay gazety, izay nankinina manokana tamin'i Mômpera Alain Pierre. Laharana maro no efa nivoaka isam-bolana teo anelanelan'ny 1999-2015.

Ireo Pretra sy Frera niandraikitra azy hanova

Ireto ireo efa niasa sy niandraikitra ny gazety Akon'ny Diôsezy Ambositra. Marihina fa anarana ihany ireto fa tsy milahatra. Mety misy hadino aza: PP. Alain Pierre; Odon Pascal; Nônne; Olivier; Nicolas; Mbolaniaina Léonard; Rakotoniaina Arsène; Jeannot; Angelini Ramy nampian'ny FF. Gaston; Njaka Antonin; Jean Aimé; Raymond; Marcel; Henri; Rova.

Ankehitriny hanova

Nanomboka tamin'ny volana Mey 2015 no tsy nivoaka, noho ny antony teknika, ny gazety Akon'ny Diôsezy Ambositra. Tsy maty akory izy fa mbola ao am-pon'ny Eveka ny fanohizana azy satria manampy betsaka ireo Pretra sy Katesista ary ny kristianina ny fisiany. Na izany aza dia mitohy ny asa ao amin'ny Biraon'ny ADA: famoahana ny tetiandron'ny Diôsezy sy ny tetiandro momba ny litorjia.

Jereo koa hanova