Amin' ny ankapobeny, ny Galileana na Galiliana dia ny mponin' i Galilea na Galiia, izay faritra avaratra amin' i Palestina sy atsimo amin' i Libanona izay manomboka ao amin' ny lemaka amorontsiraka avaratra any andrefana ka hatrany amin' ny Ranomasin' i Galilea (na Farihy Tiberiasy) sy hatrany amin' ny Lohasahan-dempon' i Jordana any atsinanana. Amin' ny teny hebreo izy dia atao hoe גלילי; fa amin' ny teny grika taloha kosa dia Γαλιλαίων / Galilaiôn; ary amin' ny teny latina dia Galilaeos.