Ny Gôty (Goty: 𐌲𐌿𐍄𐌸𐌹𐌿𐌳𐌰, romanina: Gutþiuda; Latina: Gothi) dia vahoaka alemà izay nitana anjara toerana lehibe tamin'ny fianjeran' ny Fanjakana Rômanina Andrefana sy ny fipoiran'ny Eorôpa tamin'ny Andro Antenatenany. Tamin’ny faramparan’ny taonjato faha-4, dia notafihin’ny Hony avy any atsinanana ny tanin’ny Gôty. Taorian’io fisehoan-javatra io, dia nisy antokon’olona Gôty tonga teo ambany fitondran’ny Honika, fa ny hafa kosa nifindra monina niankandrefana kokoa na nitady fialofana tao anatin’ny Fanjakana Rômanina. Ireo Gôty izay niditra tao amin'ny Empira tamin'ny fiampitana ny Danobia dia nahatonga faharesena nahatsiravina tamin'ny Rômanina tamin'ny ady tao Adrianôpôlisy tamin'ny taona 378.

Ostrogothic Kingdom.png