Fransiskanina

(tonga teto avy amin'ny Fransiskana)

Ny Fransiskanina na Fikambanan' ny Frera Madinika, na Fikambanan' ny Mpirahalahy Madinika, amin' ny teny latinina: Ordo Fratrum Minorum, izay antsoina matetika hoe Fransiskanina ny mpikambana aminy, dia fikambanana ara-pivavahana katôlika izay niseho tany Italia tamin' ny taona 1210, teo ambany fitarihan' i Md Francesco d'Assisi. Fikambanana mpangataka izy ity.

Sary famantaran' ny Fransiskanina
Francesco d'Assisi

Maka tahaka an’ i Kristy ny mpikambana ao aminy ka miezaka miaina ao anatin’ ny fahantrana sy ny fahatsorana araka ny filazantsara. Nanantitrantitra ny amin’ ny lafiny firahalahiana eo amin’ ny fiainany ny Fransiskanina, ka nisafidy ny hiantso ny tenany ho "frera" na “rahalahy”. Amin’ izao fotoana izao, ny ankamaroan’ izy ireo dia pretra.

Mpandinika efatra no nanamarika ny tantaran' ity fikambanana mpangataka ity: i Bonaventura da Bagnoregio, i Roger Bacon, i John Duns Scotus ary i William of Ockham.

Jereo koa hanova