Sefoy (vahoaka)

(tonga teto avy amin'ny Foko sefoy)

Ny Sefoy dia vahoaka afrikana, anisan' ny vahoaka akàna. Ity zana-bondron' ny Akàna ity no zana-bondrona lehibe ao amin' ny faritra avaratra-andrefana ao Ganà, izay miteny amin' ny endri-pitenim-paritry ny fiteny akàna, dia ny fiteny sefoy. Ara-jeôgrafia, ny tany onenan' ny Sefoy dia ao amin' ny faritra avaratra-andrefana, 200 km miala ny morontsiraka ary monina amin' ny velaran-tany mirefy 2 695 maily toradroa, vakivakin' ny renirano Tano sy Bia. Nipoitra avy any amin' ny tapany avaratr' i Afrika tahaka ny foko ankàna hafa rehetra ny Sefoy, izay nandositra ny ady. Miisa 572 020 ny Sefoy tamin' ny taona 2010. Misy amin' izy ireo ny milaza ny tenany fa taranaka jiosy na hebreo.

Jereo koa hanova