Fivavahana ao Etazonia

Ny fivavahana ao Etazonia dia mbola be mpanaraka ary ilaina ny fahafantarana azy amin' ny fahazoana ny fiarahamonina amerikana, izay anana' ny fivavahana anjara toerana lehibe. Na dia eo aza ny fisarahan' ny Fiangonana sy ny Fanjakana dia hita eny amin' ny toera-malalaka ho an' ny daholobe any Etazonia ny fivavahana ka izany no ampiasana ny andian-teny hoe "fivavahana sivily". Matetika dia ahitana Baiboly ny ao amin' ny efitranon' ny trano fandraisam-bahiny, indrindra ny Baibolin' ny Mpanjaka Jakoba (King James Version), ary matetika ny filoha amerikana no mitoka an' Andriamanitra amin' ny kabary ataony.

Ny fandalana fivavahana, izay natomboky ny prôtestantisma be mpanaraka tany am-boalohany, dia miseho amin' ny alalan' ny karazam-pivavahana maro sy ny fahavitrihan' ny fiangonana izay hazavain' ny tantaran' ilay firenena, izay tany fandosirana afaka niantoka ny fahalalahana ara-pivavahana hatrany am-boalohany. Na amin' izao fotoana izao aza dia tafiditra tanteraka amin' ny fiainana ara-pôlitika sy ara-tsôsialy ao Etazonia ny antokom-pinoana samihafa.

Araka ny fanadihadiana nataon' ny Pew Research Center tamin' ny taona 2014, dia 70,6 % amin' ny Amerikana no milaza fa Kristianina (ka ny 46,5 % Prôtestanta fa ny 20,8 % kosa Katôlika), 22,8 % no tsy manana fivavahana ary 5,9 % no manaraka fivavahana hafa (jodaisma - 1,9 %, silamo - 0,9 %, bodisma - 0,7 %, hindoisma - 0,7 %, fivavahana hafa - 1,8 %).

Jereo koa hanova